- Publicité -
mercredi, septembre 30, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSabnam : Mpanao fanadihadiana voadaroka

Sabnam : Mpanao fanadihadiana voadaroka

Naratra ary tena naratra mafy. Iray amin’ireo mpanao fanadihadiana izay mitety tokantrano no niharan’izany. Voatifitry ny totohondry ary tsy vitan’izany fa misy zava-maranitra tamin’ny tanan’ilay mpidaroka. Mpidaroka izay ahiana ho mamon’ny zava-mahadomelina. Tao an-tokantranony ihany no niseho ny vono sy daroka niniana izay niteraka fandratràna. Avy eo izy dia nitsoaka teo amin’ny trano mifanolobodirindrina. Izany rehetra izany dia teo imason’ny solon-tenan’ny manam-pahefana no niseho. Rehefa misy mantsy ny fanadihadiana isan-tokantrano toa ireny dia ampanarahina mpiasan’ny kaominina na fokontany ireo mpanadihady. Ankoatra ny tao an-trano dia maro arak’izany ny vavolombelona tamin’ity tranga ity. Efa voasambotra rahateo ilay olona nidaroka ary nanokafan’ny zandary ao Sabotsy Namehana fanadihadiana. Efa maro ihany izay fanentanana nandeha izay momba ny fisian’ny mpanao fanadihadiana isan-tokantrano. Mbola betsaka anefa ny mandray azy ireny ho olon-dratsy na dia eo aza ny famantarana isan-karazany entin’izy ireo ary na eo koa aza ny solon-tenan’nu kaominina izay manotrona azy ireo. Lasa miady aman’aina arak’izany indraindray ireo mpanao fanadihadiana, ny fanadihadiana izay tena ilaina amin’ny fahazoana antontan’isa entina amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra ara-toe-karena.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici