Mpantsaka rano eny an-toerana no asan’ity lehilahy ity ary ny sabotsy hariva lasa teo izy no hitan’ny olona farany. Indrisy fa ny alatsinainy teo izy no hita faty tao an-tranony. Nihosin-drà tanteraka.
Nisy namono sa nianjera ary naratra? Tsy fantatra mazava hatreto ny antony nahafaty ity lehilahy 60 taona monina ao amin’ny fokontany Ampanataovana, kaominina Ambohidratrimo, ity. Araka ny fantatra mantsy dia mipetra-drery ingahy saingy rehefa tsy hitan’ny olona nivoaboaka mihitsy izy ny alahady manontolo, izay voalaza fa tsy dia fombany loatra mihitsy, dia nirotsaka tany aminy ny kartie mobile tany an-toerana ny alatsinainy maraina. Akory ny hatarain’ny rehetra rehefa nahita azy nitsirara teo am-pandrinany, efa tsy nisy aina intsony. Manodidina azy feno rà velona efa maina. Nantsoina avy hatrany moa ny tompon’andraikitra ary nidina teny an-toerana niaraka tamin’ny mpitsabo.
Raha ny fitsirihana ny razana nataon’ireo mpitsabo, hoy ny vaovao, dia ny alahady teo no namoy ny ainy ity lehilahy lehibe ity ary mety ho vokatry ny fahaverezan-drà be loatra no antony nahatonga izany. Tsikaritra mantsy, araka ny vaovao, fa nahitàna ratra misokatra lehibe teo amin’ny tongony sy teo ambanin’ny masony havia. Ratra izay tsy mbola fantatra na avy amin’ny inona na avy amin’ny inona. Taorian’ny fitsirahan’ny mpitsabo moa dia natolotra ny fianakaviana ny razana. Tetsy an-danin’izay kosa, noraisin’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ambohidratrimo ny fanokafana ny fanadihadiana mahakasik ity tranga ity.
m.L




