- Publicité -
vendredi, octobre 2, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversOniversiten’i Toamasina sy Banky iraisam-pirenena : Narenina ireo fahasimbana sasany navelan’ny « Gezani...

Oniversiten’i Toamasina sy Banky iraisam-pirenena : Narenina ireo fahasimbana sasany navelan’ny « Gezani » tao

Nijery ny fanarenana rehetra taorian’i Gezani ny solotenan’ny Banky iraisam-pirenena misahana an’i Madagasikara – Maurice – Comores – Seychelles, Atoa Seck, niaraka tamin’ireo mpiara-miasa amin’Atoa Pr Diny Razanakolona filohan’ny Oniversite, sy mpandrindra ny fanarenana an’i Toamasina, ary ny solontenan’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony, sy ny Fid Toamasina.  Ny tanjona tamin’izao fitsidihana izao dia hahita maso ireo fanarenana rehetra nampiasana ny vola avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena tamin’ny asa nanarenana izany. Isan’ny notsidihina tamin’izany ny « Demi Tonneau » tena simba tanteraka sy ny trano famakiam-bokin’ny oniversite, ary ireo efitrano narenina hafa ihany koa. Fantatra anefa fa mbola ny 44 tamin’ireo tranon’ny oniversite miisa 123 no efa nasiam-panarenana taorin’iny rivodoza Gezani iny. Noho izany, mbola misy efitrano 79 ambiny mbola hitadiavana famatsiam-bola amin’ny fanarenana azy, izay mahatratra eo amin’ny 64% amin’ny fananan’ny oniversite manontolo. Ny fandahara’asa TALIM famatsiam-bola ny Fanjakana malagasy niarahana tamin’ny banky iraisam-pirenena izao vita sy notsidihana izao. Misy ihany koa ny fandaharan’asa MYSET fiaraha-miasan’ny oniversite amin’ny sampana hafa, ahafahana manatsara ny kalitaon’ny fampianarana sy ny toeram-pianarana. Hahafahan’ireo manaraka ny fampianarana mifandraika amin’ny fahefany sy mora hahitany asa koa any aoriana. Manana iraka manokana ny volana novambra 2026 izao ny Banky Iraisam-pirenena, izany hoe afaka roa volana, eo amin’ny fanarahana ny asa efa vita sy hitohizan’izay indray. Ny tanjona mantsy dia ny fanarenana ny simba rehetra, ary mba hanana fahafahana miarina ireo tompon-draharaha.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici