- Publicité -
samedi, octobre 3, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : Entana lany daty 1 taonina nopotehina sy nodorana

Maevatanàna : Entana lany daty 1 taonina nopotehina sy nodorana

Nopotehina avy hatrany ireo zava-pisotro.

Hentitra amin’ny fiparitahan’ny entana lany daty mety hiteraka fanapoizinana ara-tsakafo ny fitaleavam-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana Betsiboka. Entana milanja 1 taonina sy sasany lany daty tsy azo am-pisaina, mitetim-bidy 14 tapitrisa Ariary no hita nandritra ny fisavana sy fanaraha-maso ny tsena andavanandro, nataon’ny teo anivon’ny fitaliavam-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana Betsiboka ho an’ny teto Maevatanàna an-tapon-tanàna mba fitsinjovana ny mpanjifa sy ny fahasalaman’ny olona tsirairay avy. Ny marainan’ny tatala 29 septambra taona 2026 lasa teo no nanatanterahana ny fandoroana ireo entana efa lany andro sy tsy azo am-pisaina ireo, izay notronon’ireo tomponandraiki-panjakana maro isan-tsokajiny aty an-toerana, notarihin’Atoa lefitry ny préfetn’i Maevatanàna sy ny tale kabinetra ny faritra Betsiboka. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia nanamafy ny talem-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana Betsiboka, Andriamatoa Rabenandrasana Charles, fa manana zo hisitraka ny zony tanteraka ny mpanjifa rehetra manerana ny Nosy, ary ny ato anatin’ny faritra iadidiany. Mampitandrina ihany koa ny tenany amin’ny fanamparitahana ny entana lany andro no hiaran’ny sazy hatrany ny olona minia manao izany, indrindra ny fanararaotana samy hafa amin’ny fampiakarana ny vidin’ny entana filan’ny mponina.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici