- Publicité -
samedi, octobre 3, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntanimena : Hena amidy sasana amin'ny rano maloto

Antanimena : Hena amidy sasana amin’ny rano maloto

Miaina anaty loto ary mihinana maloto.

Taitra sy sosotra ny olona raha nahita ny sary izay niparitaka tamin’ny tambajotra sosialy. Henan’akoho iray gony entina sasana eo amin’ny rano maloto sady miandrona no efa feno lolotra, eo Antanimena ambany. Nisy nahatsikaritra ary naka sary ka nizara izany ary faran’izay haingana dia niparitaka ny zava-nisy. Tsy voalohany no nisy toa izao satria tetsy amin’ny lakan-dranon’Andriantany koa dia efa nisy mpanao saosisy nampiasa izany. Eo izy ireo no manasa ny tsinain-kena hampidirina ny toton-kena avy eo. Amin’ireo tranga roa ireo dia sady tsy miafina ireo olona no tsy misy tahotra na ny kely aza. Ny mpandalo koa tsy nisy nanaitra fa samy nanohy ny lalany. Toa midika izany fa amin’ny olona sasany dia araka ny tokony ho izy ny zavatra misy. Kolontsaina tia havoretràna ve no mibahana eto an-drenivohitra ankehitriny? Toa izany koa mantsy ny fanaratoana trondro maloto eny amin’ny Masay iny dia toa lasa mandeha hoazy. Sakafo hoanina avokoa izany rehetra izany nefa dia kirakiraina amin’ny loto tanteraka. Etsy ankilany koa dia toa mainka manampy trotraka ny fikirakirana loto ny fahatapahan-drano na ny tsy fisian’ny rano ho an’ny maro. Indraindray mampanontany tena na ny fandehanana amin’ireny toeram-pisakafoanana ireny manoloana ny tranga hita etsy sy eroa. Mila ampitomboina ny fanaraha-maso avy amin’ny sampam-panjakana miaindraikitra izany satria tena mihinana maloto ny olona.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici