
Simba tanteraka ilay zazalahy niharan’ny fanolana saingy tsy misy atahorana ny aminy satria efa voaray an-tanana, hoy ny fanazavana azo. Zava-doza tokoa no nitranga tao amin’ny fokontany Ambohidahy, kaomina Bemasoandro Itaosy ny andron’ny alakamisy lasa teo. Zazalahy kely vao 11 taona no naolana ankizilahy 16 taona. Tsy nisy nanampo ny zava-niseho ny rehetra fa noheverina ho toy ny nisangisangy izy roalahy ireto. Hay efa habibiana no nitranga. Nandalo naka vilona tao an-toerana mantsy ity tovolahy mpanolana ity no sendra nahita an’ilay ankizilahy kely. Tsy fantatra mazava izay nitranga talohan’io sy ny fandraikiraikena nataon’ity farany an’ilay lasibatra. Izy ireo efa eo am-panaovana ny tsy mety no nahataitra ireo nahita ka niantsoana fokonolona avy hatrany. Mazava ho azy fa vetivety dia tonga maro ny olona ary nosamborina avy hatrany ity mpaka vilona mpanolana ity. Raha ny vaovao azo dia efa saika niharan’ny fitsaram-bahoaka teny an-toerana mihitsy ity farany noho ny hatezeran’ny olona. Efa nisy nahakasin-tanana mihitsy aza, araka ny angom-baovao azo hatrany. Natolotra ny zandary avy hatrany moa ity tovolahy ity ary notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana azy. Mbola ao anatin’ny fanadihadiana azy tanteraka izahay hoy ny avy eo anivon’ny zandary ary aorian’izay dia hatolotra eny anivon’ny Fampanoavana. Ilay lasibatra kosa moa efa nentina teny anivon’ny tobim-pahasalamana ho amin’ny fandraisana an-tanana azy. Tsara hatrany ny mampatsiahy fa henjehina ary faizin’ny lalàna mafy dia mafy, araka ny fehezan-dalàna famaizana nasiam-panovàna ny herisetra ara-nofo mianjady amin’ny ankizy tsy ampy taona, na lahy io na vavy. Araka ny volazan’io lalàna io, ankoatry ny tranomaizina sy ny lamandy dia mety hampiharina amin’izay voaheloka amin’izany, indrindra fa ireo tratra nampihatra herisetra ara-nofo tamin’ny zaza latsaky ny 13 taona ny famosirana na ny « castration ».
m.L




