
Raim-pianakaviana manodidina ny 44 taona eo no hita faty teny amin’ny tanim-pambolena iray, akaikin’Ikopabe, fokontan’Ambatofotsy, kaominina Maevatanàna ambonivohitra, ny marainan’ny sabotsy faha 03 oktobra taona 2026 teo. Araka ny vaovao voaray, dia nahitana ratra tamin’ny lohany sy ny tarehany, voambara nandritra ny tombana voalohany teo am-pahitana ny razana fa nisy namono, ary avy eo nahanton’ireo nahavanon-doza tamin’ny hazo. Tazana tamin’ny fitsirihana ny razana nataon’ny mpitsabo, izay niarahana tamin’ny mpitandro ny filaminana ihany koa, ny sakaosy iray nisy lamba, niampy karapanondrom-pirenena. Voamarina tamin’izany, fa avy any amin’ny distrikan’Ankazobe iny, any amin’ny faritra Analamanga, ity olona namoy ny ainy ity. Noho ny fahasimban’ny razana hita, dia nandray fepetra amin’ny fandevenana azy vonjimaika ny vatan-dehilahy avy amin’ny vakim-paritra fahefatra sy fahatelo ao amin’ny fokontan’Ambatofosty sy ny tompon’andraiki-panjakana aty amin’ny renivohitry ny faritra Betsiboka, mandra-patongavan’ny fianakaviany amin’ny fakana ny razana. Mitohy hatrany kosa ny fanadihadiana ataon’ny polisy miasa eto Maevatanàna.
Ratantely




