
Tena manohana ny hetsiky ny vehivavy amin’ny fankalazana ny volana oktobra amin’ny ady atao amin’ny homamiadan’ny nono ny eo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina (Spat). Nivadika ho mavokely hatramin’ny saina fampiasany andavanandro mihitsy vokatr’izany ankehitriny.
Tafiditra amin’ny hetsika ataon’ny Spat ny fanentanana ireo mpiasa ao aminy mikasika ny ady sy fanentanana ataony momba ity homamiadan’ny nono ity, satria efa mahavoa olana maro eto Madagasikara izany, nefa betsaka ny tsy mahalala ny fisiany ao aminy. Nanao fanentanana tao amin’ny efitrano fanaovan-dananony ny Spat (PACT) nentina nanentanana sy fampahafantarana ny mpiasavavy tao aminy mikasika izany, izay nisiany fanentanana amin’ny fitiliana izany koa. Nanafatra manampahaizana manokana mikasika izany mihitsy izy ireo nampahafantatra izany tao amin’ny Pact, izay nizara ihany koa ny traikefa maro mikasika izany, ary nisy koa ny fomba fisorohana izany miampy ny fitiliana manokana.
Isan’ny laharam-pahamehan’ny orinasa ny fahasalaman’ny mpiasa ao aminy, hoy ny tale jeneralin’ny Spat Atoa Randriambahoaka Heritiana, ka tsy tokony hatao ambanin-javatra ny fisorohana sy fitiliana mialoha izany homamiadan’ny nono izany. Nasaina manokana tamin’izany sy nanavana ny mikasika ny homamiadan’ny nono ity ny Profesiora Randriamanovontsoa Niaona Zara misahana ny sampana « Oncologie » eo anivon’ny CHU Morafeno Toamasina (Hopitaly manarampenitra). Nohazavaina nandritra izany ny mikasika ny famantarana sy ny fisorohana izany, ary ny tena maha zava-dehibe be ny fitialana.
Isan’ny noresahina nandritra izany koa ny mikasika ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza. Nohazavaina nandritra izany koa fa mety hahazoan’ny lehilahy ny homamiadan’ny nono, ka hanao fitiliana koa izy ireo raha mahita zavatra tsy mahazatra amin’ny nonony na vitsy noho ny vehivavy aza ny tranga hita, hoy ny profesioran’ny CHU Morafeno. Tena mora ny fitsaboana raha hita mialoha ny homamiadana ity raha hita mialoha sy ara-potoana, ka ilaina izany ny fanantonana mpitsabo raha misy famantarana mampiahiahy.
Ankoatra izany dia hetsika maro no kasain’ny seranan-tsambo atao mandritra ity volana oktobra ity ao anatin’izany. Isan’izany ny fampitomboana eo amin’ny mpiasa ny traikefa sy ny fahalalana mikasika ny homamiadana ity.
Malala Didier




