- Publicité -
vendredi, octobre 9, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBemangoraka - Betsiboka : Tontosa ny fampidirana am-pasan-drazana ny taolam-balon'Itompokolahy Jeneraly Rakotonandrasana...

Bemangoraka – Betsiboka : Tontosa ny fampidirana am-pasan-drazana ny taolam-balon’Itompokolahy Jeneraly Rakotonandrasana Noël

‎Henin-kaja sy voninahitra nanoloana ny fanontronan’ireo olona marobe avy lavitra sy ny teo amin’ny manodidina ny fianakaviana sy ny zanaka navelan’i Jeneraly Rakotonandrasana Noël Girardin nandritra ny famonosa-damba sy famindrana ny taolam-balony, ny zoma faha 02 oktobra taona 2026 teo, tao amin’ny fokontany Bemangoraka, ao amin’ny kaominina ambanivohitra Mahazomà, distrikan’i Maevatanàna, faritra Betsiboka. ‎

Tsy diso anjara tamin’ny fanomezam-boninahitra ny lanonana nisy ny solontena avy amin’ny sampandraharam-panjakana aty an-toerana sy ny mpitandro ny filaminana, ary ny kaomandin’ny vondron-tobim-pileovan’ny zandarimariam-pirenena Betsiboka, noho ity Jeneraly efa Minisitry ny Fiarovam-pirenena Malagasy teo aloha, saingy eo ihany koa ny maha Ray aman-denin’ny fiaraha-monina azy tato anatin’ny faritra Betsiboka tamin’izany no atom-pisian’izay.

‎Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici