Nitrangan’ny fanafihan niafara tamin’ny fitifirana olona ny tranga teny amin’ny « gare routère » Tanambao V ny antoandro tokony tamin’ny 12 ora latsaka fahatelony. Tovovavy iray 27 taona mpivarotra fanafodim-biby no voatifitra nandritra izany, raha nitaky vola tsy nahazo ireto jiolahy roa nanao « cache bouche ». Raha ny fanazavana dia tonga mody nijery zavatra hafa ireto jiolahy tamin’ny voalohany nefa nivadika ho izao fitakiana vola izao, ka nitifitra avy hatrany raha tsy nahazo izany. Maty tsy tra-drano ilay tovovavy 27 taona mpivarotra, ary efa tonga teny ny mpitandro filaminana avy amin’ny polism-pirenena izay teo akaiky teo ihany. Efa tena manahirana ity fanafihan-jiolahy ity, izay saika isaky ny alatsinainy sy ny alarobia ary zoma ny fanaoan’izy ireo ireny, ary ny antoandro na ny hariva ny fanafihana olona izay miafara amin’ny fitifirana mihitsy raha tsy mahazo ny zavatra tadiaviny ireo jiolahy. Roa lahy izy ireto nitaingina Moto Scooter nonavanona izao famonoana olona izao, ka niezaka nikaroka izany ihany ireo mpitndro ny filaminana saingy niala maina fa efa mailo ireto jiolahy. Nentina namonjy tranom-patin’ny hopitaly ilay tovovavy ahafahan’ireo fianakaviany maka sy mikaraka ny razana. Tsy maintsy ho tratra ireto jiolahy mpihetraketra mitifitra olona ireto araka ny nambaran’ny polisim-pirenena misahana ny raharaha.
Malala Didier




