- Publicité -
lundi, octobre 12, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversGadra sinoa « nanjavona » : Nesorina ny lehiben’ny fonja ao Avaradrano

Gadra sinoa « nanjavona » : Nesorina ny lehiben’ny fonja ao Avaradrano

Raharaha nitana ny sain’ny maro tamin’iny faran’ny herinandro iny ny fampitam-baovao navoakan’ny Ministeran’ny fitsaràna, mahakasika ny « fanjavonan’ireo gadra terantany sinoa » miisa 11 tao amin’ny fonjan’Avaradrano. Araka ny nambaran’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny fandraharahan’ny fonja dia tao anatin’ny fitsirihana, izay nataon’ireo tompon’andraikitra no nahitan’izy ireo zavatra tsy tomombana ka niafara tamin’ny fanatsikafonana ity raharaha hafahafa ity. Nisy avy hatrany ny fanadihadiana hoy izy ireo saingy tsy niandrasàna an’izany ho vita dia efa nisy ny fepetra noraisan’ny Fitaleavana jeneralin’ny fandraharahana fonja. Anisan’ireo fanapahan-kevitra noraisana ny fampiatoana amin’ny asany ny lehiben’ny fonjan’Avaradrano sy mety hisian’ireo famindràna toerana amin’ireo mpandraharahan’ny fonja sasantsany izay mety ho voasaringotra amin’ity raharaha ity. Etsy andanin’izay, ny avy eo anivon’ny Ministeran’ny fitsaràna dia manamafy fa « tsy handefitra ny ministera ary tsy miray tsikombakomba amin’ny ratsy. Efa mandeha fanadihadiana ara-pitantanana sy ny ara-pitsaràna mahakasika ity raharaha ity hamantarana ny andraikitry ny tsirairay avy. Hampiharina tsy misy fepetra ny lalàna ho an’ireo izay nandika izany. Marihana fa manaraka akaiky ny tranga ity ny Repoblika entim-bahoaka ny Chine »

Raha tsiahivina dia ireo sinoa maromaro, voasambotra ny volana jona sy jolay lasa teo ireto gadra tafavoaka ny fonja tamin’ny fomba tsy ara-dalàna ireto. Teratany sinoa izay nohenjehina sy voarohirohy noho ny resaka fisolokiana an’habaka sy ny fipetrahana tsy ara-dalàna eto Madagasikara. Araka ny fampahafantarana nataon’ny ministera hatrany dia efa voaheloky ny fanjakana malagasy izy ireo ary ireo nalefa teny amin’ny fonjan’Avaradrano ireo. Raha ny angom-baovao isan-karazany azo dia taorian’io fandefasana azy ireo hisazy eny amin’ny fonjan’Avaradrano io dia nisy indray ny fangatahana hamindràna azy ireo indray eny amin’ny fonjan’Antanimora, mandram-piandry ny fandefasana azy ireo any Chine. Ary neken’ireo tompon’andraikitra izany. Nanomboka teo no nanjavozavo tanteraka ny raharaha. Satria sady tsy hita tany amin’ny fonjan’Antanimora ireto gadra sinoa am-polony ireo no tsy tany amin’ny fonjan’Avaradrano ihany koa. Nanjavona fotsiny tsotr’izao …

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici