Efa ny ainy sisa no tsy nanaraka, noho ny daroka sy ny vono nataon’ny fokonolona azy. Jiolahy voasambotra izy io, izay nanafika mpanangom-bokatra tao amin’ny tsenan’Alakamisy kely, fokontany Vatovandana, kaominina Ambatondrakalavao, distrikan’Ambatolampy, ny marain’ny alakamisy teo. Araka ny fampitam-baovao azo avy an-toerana, vao maraina kely no nitranga ny fanafihana, raha mbola nikonokonona namelatra entana ireo mpivarotra. Mpividy vary akotry no lasibatra izy tamin’io fotoana io. Mody nanontany ny vidin’ny vary mantsy izy ireo mba nentina nanatonana ireo mpanangom-bokatra. Roa lahy izy ireo, hoy ny vaovao, ary nitondra basy. Navoakan’izy avy hatrany ny basy ary norahonany hamoaka ny vola ireo lasibatra. Tsy vitan’ny fandrahonana fotsiny anefa fa tena napoakan’izy ireo ny basy ary notifiriny ny zanaky ny iray tamin’ireo mpividy vary. Mbola saika hanapoaka fanindroany izy ireo no tsy nipoaka intsony ilay basy. Nahita izany ireo fokonolona ka niray hina nanohitra ireto olon-dratsy ireto. Sendra ny tsy nampoiziny velively koa ireo jiolahy ka nanao tari-dositra nitsoaka. Ny iray tsy hita izay nalehany, hoy ny fitantaran’ny nanatri-maso, fa ny iray nikasa hitsoaka tamin’ny moto. Tsy velona tampoka koa anefa io moto ka noraisim-potsiny ingahy. Nifaninan’ireo fokonolona nodarohina teo ity olon-dratsy ity ka efa naratra mafy. Efa saika maty mihitsy raha tsy tonga ireo mpitandro filaminana nanakana, hoy ny hatrany ny vaovao. Hany ka tany amin’ny moto no nanamparan’ny olona ny hatezerany. Nodoran’izy ireo tsy nananany antra ity fitaovana ity. Tetsy an-danin’izay moa, efa nentina nihazo toeram-pitsaboana haingana izay zazalahy voatifitr’ireo olon-dratsy. Voa teo amin’ny tendany izy io hoy hatrany vaovao. Efa eny am-pelatanan’ny zandary any an-toerana moa ny raharaha ary efa mandeha ny fikarohana ilay jiolahy iray tafatsoaka. Efa nomena fitsaboana tamin’io andro io ihany koa ilay jiolahy niharan’ny fitsaram-bahoaka talohan’ny nitondrana azy natao andrimaso ho amin’ny famotorana.
m.L




