- Publicité -
mercredi, octobre 14, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversVitrine du Vakinankaratra : Ny Haivao na « Innovation » no lohahevitra

Vitrine du Vakinankaratra : Ny Haivao na « Innovation » no lohahevitra

Toy ny fanao isan-taona, hiditra amin’ny andiany faha-28 ny hetsika ara-toe-karena fanaon’ny FIOVA na “Fivondronan’ny Orinasan’ny Vakinankaratra”. Toy ny mahazahatra miainga eo anolohan’ny gara ny tranoheva ary hipaka hatrany amin’ny ny Hotel des Thermes noho fahabetsahan’ny orinasa mandray anjara. Tsy mitsaha mitombo isan-taona ireo orina veventy, na salasan-tsasany, na ny orinasa madinika mandray anjara amin’ity hetsika ara toe-karena gaovana eto Vakinankaratra ity satria maro ireo tombotsoa azo, mialoha, mandritra ary aorian’ny hetsika raha tsy hilaza afa tsy ny fampahafantarana ny fisian’ny orinasa iray sy ny vokatra vokariny. Mahaliana ny maro rahateo ny hetsika tahaka itony, tsikaritra izany tamin’ny taon-dasa satria nihoatra lavitra noho ny vinavinainy ny fahamaroan’ny mpandray anjara sy ny mpitsikida raha ny antotan’isa fantatra. Ankoatra izay manome lanja ny toe-karena sy ny tanjany ny hetsika tahaka itony,  tsy ny eto Vakinankaratra intsony mantsy no mandray anjara amin’ny “Vitrine du Vakinankaratra” fa maro ireo orinasa avy any amin’ny faritra no tonga mampahafantatra ny fisiany sy ny vokany amin’ny alalan’ny varotra fampirantiana.Ny Haivao “Innovation” izay no loahevitra noraisina amin’ity andiany ity. Amin’ny alalan’ny fampiratiana sy valandresaka no hanehoana izany hoy Ramarijaona Andrianjafy filohan’ny FIOVA nandritra valan-dresaka natao ho an’ny mpanao gazety. Hiseho amin’ny lafiny maro ny haivao, na fambolena izany  na asa-tanana, indrindra ny Indostria, maro ireo orinasa mpikambana ao amin’ny FIOVA no efa mampiasa angovo madio sy milina manara-penitra mba hampihenana ny fandaniana sy hiarovana ny tontolo iainana ao anatin’izay antsoina hoe “innovation” izay. Amin’ny Alakamisy faha 15 Oktobra 2026 izao no hanombohana ny hetsika izay haharitra hateloana. Mahatratra 387 ny mpandray anjara. Ny Vitrina du Vankinankaratr dia porofo fa vonona ny FIOVA hiatrika ny fanamby. Eo amin’ny fihanonan’ny lovantsofina sy ny teknolojia vaovao no ahitana ny lalana mankany amin’ny fampandrosoana maharitra sy mampiaty ny rehetra hoy ny fanazavana.

Andry N

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici