Manao ny ainy tsy ho zavatra amin’ny fitandroana ny filaminam-bahoaka ny kaomandin’ny vondron-tombim-paritry ny Zandarimariam-pirenena, izay misahana ny disitrikan’i Maevatanàna sy ny any Kandreho, indrindra ny ady atao amin’ny asan-dahalo. Nandritra ny fidinana ifotony nataon’ny mpanao gazety manoloana ny resaka heno etsy sy eroa any ambanivohitra no nahenoana, fa tena miady sy tsy mandro andro sy alina ny tomponandrakitra ny filaminana voalaza etsy aloha sy ireo Zandary miaraka aminy, eny na dia ny fandrindrana ny lalam-pirenena fahefatra aza amin’ny fisorohana mialoha hisorohana ny mety hisian’ny fanararaotana ataon’ireo olon-dratsy.
Ratantely





