- Publicité -
mercredi, octobre 14, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBerivotra 5/5-Betsiboka : Mitaky ny fanalana ny lefitra voalohan'ny ben'ny tanàna ny mponina

Berivotra 5/5-Betsiboka : Mitaky ny fanalana ny lefitra voalohan’ny ben’ny tanàna ny mponina

Mafana ny toe-drarahara any amin’ny Kaominina ambanivohitra Berivotra 5/5, distrikan’i Maevatanàna, ato anatin’ny faritra Betsiboka an-kehitriny, amin’ny fangatana fanalana tsy misy hatak’andro ny lefitra voalohany ny ben’ny tanàna vokatry ny fihetsika nataony, izay mifanohitra amin’ireo olona ao an-tanàna. Mitaky fandraisana fepetra hentitra, araky ny fitarainany ireo mponina sy ny terak’Androy monina ao an-toerana, ny amin’ny fihetsika lazan’ireo fanilikiliana ara-pirazanana nataon’ny tompon’andraikitra iray voalaza etsy ambony no anisan’ny miteraka disadisa sy fanakorontanana any amin’ity kaominina ity. Manamafy hatrany ny mpitaraina, fa lasa nisy fiatraikany amin’ny fandriam-pahalemanana ny raharaha, ary nambaran’izy ireo fa hanaovan’ny lefitra voalohan’ny ben’ny tanàna antsojay hatramin’ny mpitandro ny filaminana manao ny asany izany. Mazava moa ny fitakian’ireto farany manao hoe: hesory amin’ny andraikiny ilay lefitra voalohany ny ben’ny tanàna mba hampitony ny toe-drarahara sy hamerenana ny filaminana. Saingy mampitandrina ihany koa ny mpitaraina raha tsy misy ny fandraisana fanam-pahan-kevitra avy amin’Andriamatoa ben’ny tanàna am-perin’asa, dia tokony hesorina miaraka amin’io lefitra voalohany io. Tonga nijery sy nihaino ny tena zava-misy marina tany amin’iny faritra iny, ny kaomandin’ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandarimariam-pirenena Betsiboka sy ny mpiara-miasa aminy.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici