Manao ezaka betsaka ny polisim-pirenena Toamasina ankehitriny, ka saika nahitam-bokatra avokoa izany tamin’ireo fanafihana mitam-piadiana sy fanendahana ary ny halatra moto mateti-pitranga eto Toamasina. Isan’izany izany ity tranga niseho teny Ankirihiry Avaratra mifanakaiky ny amin’ny “cite valpinson” antsoina hoe “Scolopendre” ity, satria saron’ny polism-pirenena ireo andian-jiolahy nahavanona izany. Araka ny fantatra dia manana kara-panondro maromaro ireto jiolahy ireto izay fampiasany amin’ny asa ratsy fanaony. Tsy ny tao amin’ny fandrobana tao amin’ny “scolopendre” ihany no notafihan’izy ireo, fa ilay mpanao “cash point” tao amin’ny tetezana tao Ankirihiry ihany koa. Ilay akanjo nanaovany tamin’ny fandrobana tao amin’ny “scolopendre” no namantarana tsy nahafahan’izy ireto niala mihitsy, ka mora ny fisamborana azy efa-dahy mpanao fanafihana mitam-piadiana ireto.
Tena ekipa mpiara-dia ireto jiolahy tratra ireto hoy ny talen’ny polisy Atsinanana, sy efa tratra avokoa izy rehetra izay miisa efatra ity ekipa mpanao fanafihana ity. Manao mpitondra posy izy ireo raha mitily ireo tiany ho ravana ary matory eny an-toerana mihitsy ; ka vitsy mahalala mandritra izany. Natao fanadiadiana teny anivon’ny polisy misahana ny heloka bevava ireto efa-dahy tratra ireto hamantarana ireo mety ho mpiray tsikombakomba tamin’izy ireo; ary tsy ho ela dia hiakatra fampanoavana hamantarana ny saziny alohan’ny fiakaran’ireto jiolahy tratra fitsarana ady heloka bevava fitsarana ambony Toamasina. Ankoatra izany dia saron’ny polisy teto Toamasina ihany koa ilay mpandrava teo amin’ny tetezan’i Tanambao Verrerie. Mbola tratra teny aminy nandritra izany ilay antsy be fampiasany manendaka ireo mpandalo, ka tamin’ity nahasarona azy ity dia vehivavy nandeha “cyclo-pousse” tokony tamin’ny 7ora hariva no noravaina tamin’izany. Mbola tratra teny aminy koa ny findain’ilay vehivavy nendahany tamin’izay. Nisy ny nanome vaovao ny polisy ka niterka izo fahatrarana mpanendaka amin’ny antsy be tao Tanambao Verrerie. Araka ny fanazavana hatrany dia niisa 7 ireo trangana asan-jiolahy sy fanendahana nitranga tao anatin’ny herinandro teo amin’ity tetezan’i Tanambao Verrerie teto Toamasina, ka tsy azo ekena izany fa mila mandry fahalemana ny vahoaka ahafahany mamokatra bebe kokoa.
Malala Didier




