« Hotanterahina ao amin’ny kianjan’ny CEG Benoît Bevava eto Maevatanàna an-tapon-tanàna ny datin’ny Alahady faha 25 Okotobra taona 2026 hoavy izao, manomboka amin’y 03 ora tolakandro ny » Match de Gala, » lalao ara-panatanjahantena taranja baolina kitra lalaovin’olona sivy eo amin’ny sokajy lehilahy, ny fifandonanan’ny » Ancien footballeurs ootballeurs Expatriés sy Ancien Footballeurs de Maevatanàna. » Hita mandritra ity fidonana ity, ireo zanaky ny Maevatanàna mpilalao milaravin’ahitra nandrafitra ny Barean’i Madagasikara sy ny tao amin’ny ekipan’ny Ajesaia, Cnaps Sport, AS Adema teo aloha. Natao moa izao hetsika izao mba ho sehatra iray mampiray sy mampiombona ny fanatanjahantena, indrindra amin’ny alalan’ny fampifandraisana ireo zanaky faritra Betsiboka monina sy miasa any ivelany sy ny aty an-toerana. Tsy misy kosa ny vidim-pidirana amin’ny andro voatondro etsy ambony.
Ratantely




