- Publicité -
mercredi, octobre 14, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMangarano Toamasina : Sarona tamin’ny 02 ora maraina ireo mpangalatra taribin’ny Jirama

Mangarano Toamasina : Sarona tamin’ny 02 ora maraina ireo mpangalatra taribin’ny Jirama

Ny fahatapahan’ny herinaratra noho ny fahasimban’ny mpiary herinaratra efa manao ny ataony, mbola manampy trotraka koa anefa ireo mpangalatra taribin’ny Jiarama, vao mainka mihamafy ny fatapahana. Tokony ho tamin’ny 02 ora maraina, ny alatsinainy 12 oktobra, dia saron’ny polisim-pirenena avy ao Mangarano Toamasina tao Andranomadio P/elle 11/45 ity mpangalatra taribin’ny Jirama iray ity tao anatin’ny posy nandehanany.

Tsy afaka nandositra intsony ny tenany raha vao nahita ireo polisy ka nosamborim-potsiny. Tariby efa voatapatapaka anaty gony roa miaraka amin’ny « pince coupante » iray no mbola sarona teny aminy nandritra ny fisamborana. Tao anaty posy nandehany no nahatrarana azy ireto ka avy hatrany dia nosambirina natao fanadihadiana teny aminy biraon’ny polisy ny tenany. Efa nanaovana fanadihadiana eny amin’ny polisy Mangarano ity tratra ity ankehitriny, mba hamantarana izay mpiray tsikombakomba sy mpividy ireto taribin’ny Jirama halatra ireto. Ny vahoaka manontolo sy ny mpanjifan’ny Jirama no sahirana amin’ny fahatapahan-jiro lava, hay ireto mpivarotra vy mitety tanana no mpangalatra azy ireny, ka mila mailo miaro ny fananana iombonana ny rehetra ary sahy hitoroka raha mahita mpanao ratsy toy izao. Matoa ity olona tratra mpivarotra vy ity nahatratrarana tariby tapatapaka tahaka izao, dia efa fanaon’izy ireo efa ela ity halatra taribin’ny Jirama ity, noho ny viraty (aluminium) ao anatiny izay azo amidy tsara amin’ireo mpanao vilany any Ambatolampy.

Tokony hitatra lavidavitra kokoa ny fanadihadiana sy fakana am-bavany ity olona tratra ity, mba hamantarana ny famarotan’izy ireo izany sy izay mety ho vidiny iray kilao aminy. Mety hifampitohy ihany koa ity tranga tratra omaly ity sy ireo tranga hafa momba ny tariby tratra teto Toamasina izay, indrindra fa ilay tranga nahavoasambotra polisy sy ilay tale ara-barotra teny amin’ny lalam-pirenena faharoa Sarimasina sy Dépot.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici