- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-Divers67ha : Jiolahy fito tratra amodi-omby

67ha : Jiolahy fito tratra amodi-omby

Manoloana ny firongatry ny asan-jiolahy amin’izao fotoana izao sy ny fahamaroan’ireo mpanendakana mameno ireo elakelan-trano, tsy mifidy olona asiana intsony ary tsy mifidy fotoana dia nisy ny hetsika nataon’ny tao amin’ny pôlisy etsy amin’ny kaomisarian’ny boriboritany faha-7, ny sabotsy lasa teo. Mpanendaka fito, nandripaka teny amin’iny faritra 67ha no sarona teo am-panaovana ny asa ratsiny. Mbola tratra teny amin’izy ireo avokoa aza ny fitaovam-piadiany toy ny antsy lava lela, miampy fonosan-drongony maromaro, raha ny fanazavana azo avy amin’ireo mpitandro filaminana hatrany. Araka ny fantatra dia noho ny fitarainana nataona olona tany amin’izy ireo, ny fisiana mpanendaka vao nanao ny asa ratsiny mihitsy no nahatonga azy ireo hanenjika ireo tontakely ireo. Tovolahy roa, 19 sy 21 taona no sarona teny an-toerana araka izany. Fa ankoatra azy roalahy ireo dia nisy dimy lahy ihany koa, mampikaikai ny olona eny amin’iny faritra Ankasina iny voasambotra. Vantany vao nahita ny fiara nisy ireto pôlisy ireo dimy lahy ireo, avy hatrany dia nitsoaka ka velona ny fifanenjahana. Tsy naharesy tohitra ireo mpitandro filaminana anefa izy ireo ka noraisim-potsiny. Izany Dôna, Vazaha, Matio, Pao, ary Ledada izany no anarana ahafantarana azy  dimilahy ireto, izay efa tena tompony sy raindahiny amin’ny resaka fanendahana mihitsy. Omaly avokoa no natolotra nohenoin’ny mpitsara mpanao famotorana teny Anosy izy rehetra ireo. Inoana –finoana fotsiny ihany io !- fa mba hilamindamin-dratsy indray ny eny an-toerana, eny fa dia voasambotra aza ny eo, manao ny ataony indray ny hafa …

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser