- Publicité -
mardi, octobre 20, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversImerinkasinina : Karazana lozam-pifamoivoizana isan'alahady

Imerinkasinina : Karazana lozam-pifamoivoizana isan’alahady

Efa betsaka ny maty, betsaka koa ny nitondra takaitra. Ahitàna karazana tsangam-bato kely na marika manokana nataon’ny sasantsasany havan’izay efa namoy aina noho ny lozam-pifamoivoizana eny an-toerana. Ny haino aman-jery dia saika isan-kerinandro no mitatitra ny rà mandriaka eny amin’ny làlan’Imerinkasinina, mbola vokatry ny lozam-pifamoivoizana hatrany. Tsy nahasakana na inona na inona anefa izany rehetra izany fa dia nijanona ho toerana fanaovana « course sauvage » hatrany, indrindra ho an’ireo mpisetrasetra kodiaran-droa ny toerana. Loza mitatao ilay làlana mba isan’ny ankavitsiana azo sokajiana ho vita rafitra tsara, isaky ny alarobia hariva-sabotsy sy alahady hariva. Ny alahady farany teo fotsiny dia efa nisy moto roa karazany nandratra olona. Ny voalohany dia nifaoka olona tamin’ny sisin’arabe. Raha mbola somebiseby teo ny rehetra dia nisy iray hafa indray koa mbola nandona olona indray. Nentina hopitaly teny Ambohimangakely izay naratra mafy. Mbola mitovitovy amin’izany koa ny alahady tapa-bolana lasa izay : moto roa no nifanitsy ary samy naratra mafy sy tsy nahatsiaro tena. Toeram-pitsangatsanganana ny nahafantarana ny làlan’Imerinkasinina izay sady madio rivotra no mbola misy hazo ialofana. Ankehitriny dia na ny mponina na ny olon-tsotra mitondra vady aman-janaka dia lasa tsy te-hierika ny toerana intsony vokatry ny korontana entin’ireo moto izay mamono olona. Raha tsy misy ny fandraisana andraikitra matotra dia hirarakopana hatrany ny lozam-pifamoivoizana eny an-toerana. Ny toeram-pivarotana toaka rahateo lasa mahazo vahana ary ireo izay tra-doza dia matetika ireo tanora mamo. Loza mitatao tanteraka…

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici