Hoy ny oham-pitenanana izay hoe: ny adalan’ny hafa no hihomezana fa ny adalan’ny tena tafian-damba… Fa rehefa ny adala ihany koa no lasa mihoa-pefy tsy voatazona intsony ka zary lasa « adala matanjaka » mamono olona dia tsy maintsy miditra an-tsehatra ireo tomponandraikitry ny filaminana, misambotra azy.
Toa ity zava-nisy teny Ampitatafika ity. Araka ny fampitam-baovao azo dia karazan’ireo adala matanjaka ireo ity lehilahy marary saina iray fantatry ny rehetra amin’ny hoe Rabevaovao ity. Tsy vitsy amin’ireo mponina no mitaraina fa efa lasibatr’izany adala izany. Satria tokoa dia manenjika ary mamono Rabevaovao, ary tsy mifidy na ankizy na olon-dehibe fa izay sendra azy dia vonoany avokoa, hoy ny mponina. Hany ka matahotra mafy izy ireo ary miraviravy tanana manoloana izany. Raha ny vaovaon’ny zandary dia vao tovolahy 24 taona monja Rabevaovao saingy lasa adala vokatry ny zava-mahadomelina. Manan-kavana ihany koa ny lehilahy saingy « tsy voatafin-damba » noho ny fahasahiranana misy. Tsy misy ny entin-manana hitsaboana azy sy hitondràna azy eny amin’ny toby hoy ny vaovao ka lasa avelan’izy ireo mirenireny, mamono olona tahak’izao. Teo anetrahan’ny zava-nisy dia voatery nandray andraikitra ny zandary ary nisambotra azy, hitandroana ny filaminana sy hiarovana ny vahoaka. Mazava ho azy fa ny fanaterana azy eny amin’ny hopitaly misahana manokana ireny olona ireny no nimasoana taorian’ny fisamborana azy. Nisy hoy ny fampitam-baovaon’ny zandary ny fiaraha-miasa teo amin’ny kaominina ho amin’izay fanaterana azy izay sy ny hitazomana azy eny fa tsy hiverina ety amin’ny fiarahamonina indray, mandra-paha-sitrany.
Raha ny eto an-drenivohitra manokana dia efa hiaraha-mahalala fa maro ireo adala no mirenireny etsy sy eroa. Misy amin’izy ireo no adala matanjaka toa an-drabevaovao, iizay manenjika, manimba zavatr’olona na mamono mihitsy eny anivon’ny fiaraha-monina eny. Tokony handraisana fepetra tsy misy hatak’andro ihany koa izy ireny avy amin’ireo tompon’andraikitra isan-tokony avy, hisorohana ny mety ho zava-doza hiseho any aoriana any.
m.L




