- Publicité -
mardi, octobre 20, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversVITRINE DU VAKINANKARATRA :  Tafiakatra 460 ireo orinasa nandray anjara

VITRINE DU VAKINANKARATRA :  Tafiakatra 460 ireo orinasa nandray anjara

Tsy nitsaha mitombo ny isan’ireo orinasa nandray anjara tamin’ny vitrine du vakinakaratra. Tafiakatra 460 ny mpandray anjara tamin’iny andiany faha 28 iny, telo andro ny faharetany ny 15,16,17 Oktobra 2026 , saingy maro tamin’ireo mpandray anjara no nisokatra ny andron’ny Alahady, tsy nisy olana rahateo izany fa nanome fahafaham-po ny mpanjifa. Fahombiazana izay no azo hamehezana azy hoy Ramarijaona Andrianjafy filohan’ny FIOVA. Notsipihiny fa hanomezan-danja ny orinasa sy ny toe karena amin’ny ankapobeny no tanjona kinendrin’ny vitrine du Vakinankaratra ; antenaina hoy izy fa nitondra soa ho an’ny orinasa mpandray anjara ny Vitrine du Vakinankaratra. Ankoatra izay, nampifandray ireo mpandraharaha, sy mampivelatra ny tsena, ny tolotra sy ny tinady ny hetsika. Isan’ny nandravaka sy nanome aina ny seho ny orinasa YAS, izay mpanohana ny Vitrina du Vakinankaratra rahateo. Marihina fa tonga nanatrika sy nanome voninahitra ny fotoana, tamin’ny lanonam-panokafana i Hanitra Velonjara Tiaray minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana sy Ny Riana Nampoina Raharimanjato, minisitry ny Indostria sy ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina, notron’ireo tompon’andraikim-panjakana eto an-toerana.

Andry N

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici