- Publicité -
jeudi, octobre 22, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFanafihana mitam-piadiana : Tratra tany Betroka ilay nitifitra tetsy Anosibe

Fanafihana mitam-piadiana : Tratra tany Betroka ilay nitifitra tetsy Anosibe

Tatitry ny polisy omaly no nahafantarana fa voasambotra tany Betroka i Maka Orlando, mitondra ny anaran-jiolahy Kelindaty na Mamenosoa. Nitifitra olona teo Anosibe izy ny herinandro lasa teo. Olona nandeha nividy entana teo an-toerana ka nitondra vola tamin’ny kitapo nobabena no nendahany ary notifiriny raha nanaraka azy. Voarakitry ny « caméra de surveillance » ny horonan-tsary rehetra hatramin’ny famonoana ilay olona sy ny fitsoahany. Vetivety dia niparitaka izany ary nanampy betsaka tamin’ny famantarana ilay jiolahy. Teto an-drenivohitra dia efa nandeha ny savahao. Kartie maro no efa nahazoam-baovao momba azy saingy tena « malama » araka ny fanazavan’ny polisy ilay lehilahy. Tsy nionona tamin’ny tsy fahitàna azy anefa ireo mpitandro ny filaminana fa nanamafy ny fifampitam-baovao tao anatiny. Voasambotra tany Betroka raha noheverina ho niery teo Antananarivo i Maka Orlando ny alatsinainy teo. Navoakan’ny polisy ny sariny mba hampahafantarana ny olona fa efa voafehy tanteraka ilay jiolahy. Tokony hivoaka amin’ny fanadihadiana ny niavian’ny basy niaviany ary ho tonga hatrany amin’ny mpamatsy izany. Raha mbola miparitaka mantsy ny fitaovam-piadiana ka tonga eny am-pelantanan’ny jiolahy dia ho sarotra hatrany ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana, na aiza na aiza. Momba an’ity Maka Orlando ity koa dia azo heverina fa misy tambajotra ao ambadikany matoa haingana be dia efa tafavoaka tany amin’ny faritra raha vao nahavita ny fanafihana. Azo heverina arak’izany fa efa lahasany ny fanafihana mitam-piadiana ary mety efa ho maro no vitany. Havoakan’ny fanadihadiana miandàlana eny ihany ny momba azy.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici