Nitrangana fanafihan-jiolahy mitam-piadiana tao Ampangalandrano, fokontany Ambodiala distrikan’ny Faratsiho ny alahady 18 Oktobra 2026 lasa teo. Andian-jiolahy tsy latsaky ny 10 no nanao ny fanafihana araky ny voalazan’ny loharanom-baovao, nitondra fitaovana mahery vaika toy basy sy zava-maranitra izy ireo nanao ny asa ratsiny. Ny telo tamin’izy ireo no volaza fa niditra ankeriny tao amin’ny tokantrano iray, tsy nitsitsiy fa avy hatrany dia nitifitra, feom-basy intelo no ren’ny manodidina hoy hatrany ny filazan’ny loharanom-baovao. Fantatra fa andiana olona maromaro hikasa hividy omby any Soavinandriana no lasibatry ny fanafihana. Raha ny tombana, ankeviny efa fantatr’ireto jiolahy ireto ny fandaharam-potoanan’ireo andiana olona hividy omby ireto sy ny fisian’ny vola be tany aminy, ary efa maty paika ny fanafihana natao. Vola mitentina 30 tapitrisa ariary, niampy finday sy kojakoja samihafa no lasan’ny jiolahy. Vaky nandositra ireo jiolahy rehefa azony izay nilainy. Nitondra ny namany naratra mafy namonjy toeram-pitsaboana kosa ny fianakavian’ny niharan’ny fanafihana, efatra no voalaza fa naratra mafy vokatry ny tifitra sy daroka nahazo azy.
Andry N




