Efa ela no niandrandra ity tobim-pahasalamana ity ireo vahoaka ao amin’ny kaominin’Ifito, tao amin’ny tanana antsoina hoe Fiadanana fokontany Hirofatra. Efitrano vaovao vao namboarina ity tobim-pahasalamana na CSB II ity, ary afaka manome ireo tolotra ara-pahasalamana fanaony minisitera toy ny vakisiny ireo mpitsabo ao anatiny. Zava-dehibe ny fahavitany ity CSB II ity, satria ireo tolotra indrindra ireo tolotra tato ho ato dia efa saika hita ao avokoa. Nanotrona izao fitokanana tobim-pahasalamana tao Ifito Toamasina II ity ny medecin Inspecteur misahana ny ao Toamasina II, ny Dr Mahavitena Bera sy ny solombavambahoaka Toamasina II Roilahy Jonah. Omby iray natolotry ny solombavambahoaka no natao nofon-kena mitam-piavanana nandritra izany. Solontenam-panjakana maro avy eto Toamasina renivohitra sy Toamasina II no nanotrona izany. Tena ilain’ny vahoaka ity tobim-pahasalamana notokonana ity, satria tsy mandeha lavitra intsony ireo vahoaka mila fitsaboana sy ireo zaza mila vakisiny ary ireo reny mitady mpitsabo sy mpampivelona manomboka izao. Manohana betsaka izao tobim-pahasalamana izao ny sampana misahana ny fitantanana ny ara-pahasalamana Toamasina, amin’ny famatsiana ireo fitaovana sy fanafody ilaina ao anatiny. Ireo orinasa samy hafa misahana iny Toamasina II inymanohana ity tobim-pahasalamana vao notokanana ity.
Malala Didier




