Hagagana ny an’ireo mponina tao Ambalafary kaominin’I Betsizaraina distrikan’I Mahanoro, fa nisehoana vono olona tamin’ny feno habibiana tao an-toerana. Vavy antitra 62 taona mipetraka ireryv ary tompona tany misy volamena sy jirofo. Nisy nanapaka ny tendany ary feno ratra ny vatany tamin’ny nahitana ny fatiny, ka mandeha ny fanadiadiana ankehitriny satria mahita ny mponina ao anivon’ny kaominina, fa mety ireo mpangady volomena norarany sy narahan’ny maso no nahavita izao vono olona feno habibiana izao. Ireo mpanao fitrandrahana volamena ireto mantsy malaza mahery setra sy mpanao sorona olona. Nilaza ny vahoaka tany an-toerana fa tsy maintsy ho tratra ireo olona nahavita izao habibiana izao, satria Tanana tsy mbola nisy olana tahaka izao ny kaominina Betsizaraina, ka izay no ilazana fa tsy maintsy ho tratra foana ny mpamono olona tahaka izao. Ny zandary any an-toerana no manao ny fanadiadiana lalina ny raharaha amin’izao fotoana izao, ary efa saika nanontaniana avokoa ny manodidina ilay ramatoa 62 taona niisy namono.
Malala Didier




