- Publicité -
samedi, octobre 31, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAndriba : Lehilahy iray no maty voatifitry ny malaso nandritra ny fanafihana mitam-piadiana

Andriba : Lehilahy iray no maty voatifitry ny malaso nandritra ny fanafihana mitam-piadiana

Nasesin’ireo jiolahy tsy voafaritr’isa tao anatin’ny alina iray, nandritra ny fanafihana nitam-piadiana nataon’izy ireo ny fokontany niisa telo, toy ny Mangarivotra, Mangasoavina, Maroharona, any amin’ny Kaominina ambanivohitra Andriba, distrikan’i Maevatanàna, faritra Betsiboka ny Alakamisy faha 22 Oktobra taona 2026 teo iny, tokon’ny tamin’ny 11 ora tany ho any. Ny angom-baovao hatrany nahalalana, fa ny fokontany Mangarivotra no nahafaty voatifitry ny malaso an’ilay lehilahy iray fantatra ny maro amin’ny fiantso hoe : Zoky Naivo. Taorian’izay dia nitari-dositra tsy nitondra na inona ireo tsy mataho-tody. Rehefa hita lasa niatsoka ny olon-dratsy, dia nivoaka ny trano nitondrana ny voatifitra namonjy ny tombim-pahasalamana ny olona teo amin’ny manodidina sy ny fianakaviny. Indrisy anefa fa namoy ny ainy hatrany, ity raim-pianakaviana ity noho tonga tao amin’ny «  CHRR Morafenokely «  eto Maevatanàna, raha ny fampitam-baovao voarainay hatrany. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra, dia mangataka fandraisana andraikitra entitra sy fanadihadiana lalina manoloana ny voina nahazo azy ireo ny fianakavian’ny maty.. Efa nalevina teto Maevatanàna ny datin’ny faha 25 Okotobra taona 2026 teo ny razana.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici