Rovitra tanteraka ny kibony ary niboraka ny tsinainy. Nentina haingana namonjy toeram-pitsaboana ity ankizivavy kely vao 6 taona monja ho famonjena ny ainy. Ny nahavanon-doza dia ny rainy, izay namono tena nony avy eo. Mampivarahontsana tanteraka ny zava-niseho tany amin’ny distrikan’i Mananjary ny alin’ny alatsinainy teo. Nandriaka tanteraka ny rà tao amin’ilay tokantrano. Aina iray no nafoy ary zazakely iray no naratra mafy. Ireo no vokatry ny fifandirana nisy tao an-tokantrano iray tao Manambatana, kaominina Ambohitsara Est. Araka ny fampitam-baovao azo avy an-toerana mantsy dia nisy tsy fifankahazoana teo amin’ny mpivady tao amin’ity trano ity. Raikitra ny fifamaliana ary saika niafara tamin’ny fikasihan-tanana mihitsy ny sasavangy isan-karazany. Marihina, hoy ny vaovao fa teo imason’ny zanak’izy ireo vavy no nanangam-bovona izy mivady ireto. Ady izay vokatry ny hasarotam-piaro, araka ny fanadihadiana nataon’ireo tompon’andraikitry ny filaminana. Tonga tamin’ny fara-tampon’ny hatezerana ingahy raim-pianakaviana ary handeha hamely amin’ny antsy ilay renim-pianakaviana, izay efa voavono sy voadaroka ihany talohan’io. Niezaka niaro ny reniny hatramin’ny farany ny zanak’izy ireo ka nibahana teo alohany. Tsy hay ihany koa na noho izay no nampiakatra mafy ny hatezeran’ingahy na lasa tsy nahy ilay antsy fa niantefa avy hatrany teny amin’ilay zaza. Voa teo amin’ny kibony ity farany ary niletra nanaboraka ny tsinainy mihitsy ilay zava-maranitra. Nentina nihazo toeram-pitsaboana avy hatrany taorian’ny zava-niseho moa ity ankizy ity ary efa eny am-pelan-tanan’ireo mpitsabo. Tsy misy ahiana ny ainy, raha ny vaovao azo omaly hariva. Tetsy andanin’izay kosa, taorian’izay fihetsika nataon’ilay raim-pianakaviana izay dia naviliny tany aminy indray ny antsy ary namono tena ny lehilahy. Fanenanana tamin’ny zavatra vita ve ? Namoy ny ainy avy hatrany moa ity farany ary tsy nisy azo natao intsony ny aminy. Efa eny am-pelan-tanan’ireo mpanao fanadihadiana any an-toerana moa ny raharaha, raha ny vaovao azo ary efa mandeha ny famotorana sy ny fijerena marina izay zava-nisy.
m.L




