
Namoy ny ainy tamin’ny lozam-pifamoivoizana nitranga tamin’ny alina teny amin’ny RN4 i Tanjona, fantatra amin’ny anarana hoe Rasta, zanaky ny depiote Nina, solombavambahoaka teo aloha tao Mahajanga. Vehivavy roa hafa kosa voalaza fa naratra mafy. Nitrangan’ny lozam-pifamoivoizana nahafaty olona ny alina teo amin’ny lalam-pirenena fahefatra (RN4), tokony ho 100 km tsy hiditra an’i Maevatanana. Maty i Tanjona, na Rasta, zanaky ny depiote Nina. Vehivavy roa hafa naratra mafy tamin’io loza io ka nentina notsaboina tany amin’ny hopitaly any Maevatanana. Araka ny vaovao azo, handeha hamangy ny reniny sy ny rahalahiny, izay samy migadra ao amin’ny fonjan’i Maevatanana, sady hitondra vatsy ho azy ireo i Rasta no tra-doza. Fiara Toyota pick-up 4×4 no nentiny, ary simba tanteraka ilay fiara, indrindra teo amin’ny faritra nisy ny mpamily. Mbola tsy fantatra mazava kosa ny antony nahatonga ny loza. Raha tsiahivina, migadra dimy taona an-tranomaizina ao amin’ny fonjan’i Maevatanana ny depiote Nina sy ny zanany lahy iray hafa, noho ny raharaha mahakasika ny fitrandrahana volamena tao Betsiboka. Voalaza fa afaka mivoaka vonjimaika i Nina hamonjy ity fahoriana ity.
D.R / Ratantely



