Hatramin’ny tapatapaky ny volana janoary, dia nirongatra izay tsy izy indray ny vaky trano tao Betafo. Matetika no saika handrenesana fitarainana na eo an-tampotanana na ny manodidina .
Tsy mifidy asiana sy zavatra angalarina ireo jiolahy, fa izay sendra azy aloha dia majifa avokoa. Amin’ny lafiny maro no isehoan’ny halatra, ao ireo mpangalatra bisikileta, ny moto ny kojakojan-trano isan-karazany. Heverina noho izany fa misy tambazotra kely mihitsy ireto tonta kely ao Betafo ireto. Fa ny tena nanaitra ny maro, dia ny fahasahian’ireo jiolahy namaky tranona polisy iray tao Betafo, ny alin’ny 7 Febroary teo. Nahavariana fa tsy naka entana ireo jiolahy, fa ny akanjo fanamian’ilay polisy avokoa no nalainy, hatramina valizy iray misy fanamiana fitondra miasa. Herinandro taorian’io tranga io, dia nisy fianakaviana iray nametraka taratasy fitarainana fa misy olona nisandoka ho polisy, nanao fanamiana nikasa hiditra amboletra tao aminy. Niantso vonjy anefa ity farany ka vaky nandositra ireo mpisandoka. Nanosika ny polisy nanao ny fisafoana matetika io tranga io, vokany telo lahy no voasambotra. Nandritra ny fanadihadiana, niaky izy telo lahy ireo fa ry zalahy tokoa no namaky ilay tranon’ilay polisy. Tany amin’ny akaikin’ny tranon’ny ray amandreniny no nanafenany ireo fanamiana polisy nangaralariny. Fantatra araky ny nambaran’ny Kaomisera Seraly Hercule fa efa in-telo no niditra am-ponja ireto jiolahy ireto ary vao avy nanefa ny saziny tany am-ponja mihitsy ry zalahy noho ny vaky trano tany Ankazomiriotra, saingy nahazo ny fanalefahana sazy dia izao namerina namaky trano izao indray. Apetraka eo amin’ny fahendren’ny fitsarana ny raharaha araka ny fanazavany hatrany, matetika mantsy ireo olona efa nahavita heloka hatrany no miverina manao asa ratsy. Nanentana ny andrimasom-pokonolona moa ny Kaomiseran’i Betafo ny amin’ny tokony hanarahamaso akaiky ireo olona avy namita sazy tany am-ponja, indrindra fa ireo voaheloka fa jiolahy ka miverina eo amin’ny fiarahamonina.
Andry N.