Nisy fivoarany ilay raharaha fakàna an-keriny an’i Houssen Avaraly, ilay zaza mpianatry ny lycée any an-toerana. Omaly, raha araka ny vaovao azo tamin’ny mpitandro ny filaminana, dia efa nisy olona telo voasambotra. Mpanera ny iray tamin’ireo, izany hoe ilay olona nanelanelana ilay rain’ny zaza sy ireo olon-dratsy nanatontosa ny fakana an-keriny. Ireo ambiny koa dia voarohirohy ho mpiray tsikombakomba tamin’ilay tambajotra mpaka an-keriny. Ny loharanom-baovao mitovy hatrany no nahafantarana fa, efa hita ilay fiara mitondra ny marika Peugeot 309; izay nanatontosana ny fakana an-keriny. Midika izany rehetra izany, fa efa mandroso tsikelikely mizotra any amin’ny fahitana ireo olon-dratsy ny mpitandro ny filaminana ankehitriny. Etsy andanin’izany, dia mitohy ihany koa ny fiadim-barotra izay ataon’ireo olon-dratsy. Afak’omaly dia mbola 1 miliara fmg no nangatahan’ireo tamin’ny rain’ilay zaza nalaina an-keriny. Ankoatra ny fisian’ny voasambotra anefa dia mandeha ihany koa ny fiangavian’ny fianakaviana mba hampidina ilay saran’ny takalonaina. Miara-mihetsika ny zandary sy ny pôlisy ao anatin’ny fanadihadiana ity raharaha ity. Samy manao ny fanadihadiana izay tandrifiny ny roa tonta ary samy miandry ihany koa ny olona, ny mety ho vokatr’izany.
D.R