- Publicité -
lundi, novembre 2, 2026
AccueilFaits-DiversAndohanakoho Brickaville : Telo lahy tratran’ny zandary nandrava « pylône »

Andohanakoho Brickaville : Telo lahy tratran’ny zandary nandrava « pylône »

Tena henjana amin’ny filaminam-bahoaka mihitsy ity fitiavana sy halatra vy ity eto Toamasina ankehitriny. Misy dia manita-tsaina mihitsy ka mandrava zavatr’olona tsotra izao vokatry ny fitiavana vy ihany. Ny alarobia 28 oktobra teo vokatra izany dia saron’ny zandary avy ao Brickaville tao amin’ilay tanana antsoina hoe Andohanakoho ireto mpandrava « pylône » an’ireo tambanjotran-tserasera manana izany eny anaty elan’ny Toamasina eny. Tena vetivety ny andravan’ireto mpangalatra ny « pylône » iray ao anatin’izany, ary vitan’izy ireo ny mitatitra izany avy anaty ala miakatra eny amin’ny arabe. Bandy telolahy ireto tratran’ny zandary ireto teo am-pitaomana ireto vy ireto, ka tsy afaka niala bala intsony, ary nosamborina avy hatrany, satria fananana iombonana izao nosimbain’izy ireo izao. Araka ny vaovao voaray dia misy ny « antenne » an’ny orinasa Airtel ity voan’ny halatra vy ity, ary misy ny firaisana tsikombakomba tamin’ny mpiambina izany ny raharaha, araka ny voalazan’ireto telo lahy tratra ireto. Niezaka nanafina ireto vy avy nangalarina tao ambany ravin-kazo izy ireo, saingy efa narahi-maso ireto telo lahy ka noraisim-potsiny izy ireo taorian’ny fitaterana ireto vy avy nangalarina. Efa nanaovana fanadihadiana izy telo lahy tratra ireto, ka efa nanonona ireo mpividy izany sy mpiray tsikombakomba rehetra, ary hiakatra fampanoavana eto Toamasina misahana an’i Brickaville ahafahana mamaritra ny sazy ho azy ireo, amin’izao fanimbana fananam-bahoaka izao.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici