Habibiana tsy roa aman-tany ! Lehilahy iray manodidina 35 taona tany ho any hita faty ny marainan’ny alahady teo, tany amin’ny distrikan’i Tsiroanomandidy iny. Tsy teo intsony ny filahiany ary efa nipotsaka ihany koa ny voamasony.
Fikasàna hangalatra taova ve ? Araka ny fampitam-baovao azo dia ny sabotsy faran’ny volana oktobra lasa teo no niala tao an-trano tao Sarodrivotra kaomina Bevato ity lehilahy ity ary nikasa handeha hamonjy tsena tao an-tampon-tananan’i Tsiroanomandidy. Tsy niverina tany an-tranony intsony anefa ny lehilahy ary tsy hita popoka nanomboka teo. Akory ny hatarain’ny fianakaviana ny alahady maraina fa hita, lavitry ny tanana misy azy izy, tao amin’ny kaominina Soanierana, ary efa vatana mangatsiaka sisa.
Ny mpivavaka handeha hiangona maraina, tamin’ny fito ora maraina teo no nahatsikaritra zavatra hafahafa teo amoron-dalana, teo amin’ny toerana antsoina hoe Andohan’Antsahalava, fokontany Ankarahara. Vatana mangatsiaka ana lehilahy iray, efa tsy nisy aina intsony ary tao anaty rà mandriaka tanteraka. Nampandrenesina avy hatrany ny tompon’andraikitra. Nidina teny ifotony nijery ny zava-nisy ny zandary sy ny mpitsabo. Tamin’ny fitsirihana nataon’ireto farany no nahafantarana fa nisy niharan’ny herisetra feno habibiana sy vono ity olona ity ary tsy namelan’ireo olon-dratsy raha tsy namoy ny ainy. Nahitàna mangana mantsy teo amin’ny fihirifany. Tsy vitan’izay anefa fa mbola nipotsaka ihany koa ny voamasony anankiroa ary tsy teo intsony ny taovam-pananahany. Halatra taova ? Samy nizotra tamin’izay avokoa ny ahiahin’ny rehetra manoloana ny zava-nisy. Hatreto anefa tsy fantatra mazava izay zava-nitranga sy ny antony nangalàn’ireo tsy valahara izany taova izany. Raha ny hita dia ankevitry ny saika ho alain’izy ireo ihany koa angamba ny masony, saingy tsy azony. Efa eny am-pelan-tanan’ny mpitandro filaminana moa ny raharaha amin’izao ary efa misokatra ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo izay nahavanon-doza. Ny razana kosa taorian’ny fitsirihana nataon’ireo mpitsabo dia efa natolotra ny fianakaviany.
m.L


