Ny 15 oktobra lasa teo i Raissa Razaivola no nalaina teny anivon’ny fonjan’Avadrano izay nitazomana azy ary nentina nihazo avy hatrany ny biraon’ny sampana fikarohana heloka bevava eo anivon’ny zandarimaria eny Fiadanana. Araka ny nambaran’ny mpisolo vava azy dia ny 22 oktobra lasa teo no tonga teny ity farany fa talohan’izay dia tsy navela niteny na tamin’iza na tamin’iza izy. Raha ny fanazavana azo hatrany dia loham-piampangana hafa indray no hanenjehana an-dRtoa Raissa amin’izao famotorana atao azy eny Fiadanana izao : fanaparitahana vaovao tsy marina ary fanalàna baraka tomponandraiki-panjakana ambony. Fiampangana izay voalazan’ireo mpisolo vava azy fa tsy mitombona velively. Saingy mbola mandeha moa ny fanadihadiana amin’izao.
Misitraka ny zony ara-dalàna amin’ny toe-javatra tahak’izao ramatoa Raissa, hoy hatrany ny fanazavana azo. Na izany aza anefa, nametraka fangatahana fanesorana ny fanaovana andrimaso azy ao amin’ny zandary ireo mpiaro azy. Efa tapitra tanteraka mantsy hoy ireto farany ny fetr’andro tendrin’ny lalàna ahafahana manao izay andrimaso izany ary tokony hiverina eny amin’ny « cellule » hitazomana azy eny amin’ny fonjan’Avaradrano ny tenany. Raha tsiahivina, ny herinandro lasa teo no notsaraina teny anivon’ny PAC amin’ny raharaha hafa niampangana azy Rtoa Raissa izay nahazoany sazy dimy taona an-tranomaizina sy lamandy valo hetsy sy folo tapitrisa ariary.
m.L


