- Publicité -
mardi, novembre 3, 2026
AccueilFaits-DiversAmbodirina-Maevatanàna II : Lehilahy iray no naiditra am-ponja vonjimaika noho ny doro tanety

Ambodirina-Maevatanàna II : Lehilahy iray no naiditra am-ponja vonjimaika noho ny doro tanety

Anisan’ny nitondra faisana amin’ny doro tanety ny tany manamorina ny lalam-pirenena fahefatra, ato anatin’ny distrikan’i Maevatanàna tamin’ity taona 2026 ity, ho an’ny andro main-tany. Ny datin’ny  23 Oktobra 2026 teo, dia nahitana doro tanety naharitra ora maro ny tao amin’ny tanànan’Ambodirina, fokontan’Ambodimamga Betsiboka, kaominina Maevatanàna faharoa, soa fa  nisy kosa anefa ny orana nilatsaka tamin’izay, fa raha tsy izany mety nihitatra. Tany manodidina ny 1ha eo ho eo no may. Taorian’izay dia ny teknisianina avy ao amin’ny fitaleavam-paritry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana lovainjafy Betsiboka no nandray an-tanana ny raharaha mikasika ny doro tanety niseho. Nandritra ny fanadihadiana natao tamin’ilay lehilahy iray voamarina ho tompon’antoka tamin’ny fandoroana tanety no niaiky ny heloka vitany ny tenany, sady nanamafy fa noho ny fanadiovan-tanimboly nataony ny nahatonga ny firehetana. Naiditra am-ponja vonjimaika izy rehefa natolotra ny fampanoavana ny Alakamisy 29 Oktobra 2026 teo ary miandry ny fotoam-pitsarana azy.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici