- Publicité -
jeudi, novembre 5, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMpivady misoloky : Dosie 13 no nentina fampanoavana

Mpivady misoloky : Dosie 13 no nentina fampanoavana

Nanomboka maraina ny fihainoana ary mbola nitohy hatramin’ny hariva nanoratana. Dosie 13, izany hoe mpitory 13 no nampiakatra ny raharaha teny amin’ny polisin’ny Sûreté Urbaine de Tanà (SUT) ka nanokafan’ireo fanadihadiana avy eo. Rehefa nikatona izany dia natolotra ny fampanoavana ary niakatra mpitsara mpanao famotorana. Nentina teny Anosy omaly araka izany ireo mpivady voarohirohy tamin’ny asa fisolokiana marobe teto an-drenivohitra ary sarotra vao voasambotra na teo aza ny fikarohana. Ankoatra ny fitorian’ireo olona maro noho ny famarotana fiara izay nofaina tamin’olon-kafa anefa, dia mitory koa ny polisy. Ny an’ireto farany dia fikasàna hamono olona sy fanimbàna fananan’olona no anton’izany. Io indray dia mahakasika ny fandoman’ilay madama ny fiaran’ny polisy ary koa nanitsiany ny iray tamin’ireo polisy hisambotra azy, tetsy Analamahitsy ny alin’ny alakamisy teo. Raha tsy nahay niala io mpitandro ny filaminana io dia mety ho voa mafy na maty mihitsy. Isan’ny sarona nandritra ny fisamborana ilay vehivavy teny Ambohimahitsy koa ny fampiasany ody gasy karazany. Io izany isan’ny handemen’ny olona ka hahavitany ny asa fisolokiany izay mihodidina hatrany eo amin’ny bizna fiara. Izy mivady no miray tambajotra ary manana irakiraka iray koa maka ny fiara etsy sy eroa. Marobe ny olona voasoloky tamin’io lafiny iray io ary isan’ny miandrandra ny sazy henjana izy ireo satria sady very vola no very fiara izany. Hatramin’ny hariva be omaly dia mbola nitohy ny fihainoana ireo mpivady sy ny olona iray izay heverina ho mpiray tsikombakomba amin’izy ireo.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici