
Notanterahina teto Antsirabe, ny faran’ny herinandro lasa teo, ny fivoriambe voalohany nataon’ny Fikambanan’ny Dokotera sy dentiste Kristianina eto Madagasikara, fantatra amin’ny anarana hoe Fikambanana Lioka Madagasikara. « Hanangana ny rava » no lohahevitra nosafidiana nandritra izany, ho fanehoana ny finiavana handray anjara amin’ny fanarenana ny tontolon’ny fitsaboana eto amin’ny firenena. Araka ny fanazavan’ny Dr Sahondra Rasoarimanana, filohan’ny fikambanana, dia niforona tamin’ny taona 2018 ity fikambanana ity. Nandalo fotoan-tsarotra anefa ny firenena, ka nisy fiantraikany teo amin’ny asany izany. Ny taona 2025 kosa no nanomboka niverina indray ny hetsika. Mahatratra 210 ankehitriny ny mpikambana ao aminy. Tafiditra ao anatin’ny rafitra iraisam-pirenena ICMDA (International Christian Medical and Dental Association) ihany koa ny Fikambanana Lioka Madagasikara, izay ivondronan’ireo fikambanana mitovy aminy avy amin’ny firenena manodidina ny 130 maneran-tany. Anisan’ny nisongadina nandritra ny fihaonana ny olana sedrain’ny sehatry ny fitsaboana, toy ny kolikoly sy ny fisian’ireo manao asa fitsaboana tsy manaraka ny lalàna. Nohamafisin’ny filohan’ny fikambanana fa mbola azo arenina izany tontolo izany raha misy ny finiavana sy ny fandraisana andraikitra iombonana. Nanatrika ny fotoana ihany koa ny Holafitry ny Mpitsabo, notarihin’ny filohany, Dr Andriamalalananahary. Nambarany fa tombony ho an’ny Holafitra ny fanatrehana hetsika tahaka izao, satria sehatra iray ahafahana mampafanatra momba ny etika sy ny deontolojia mifehy ny asa fitsaboana. Efa 70 taona izao no nijoroan’ny Holafitry ny Mpitsabo, ka anisan’ny andraikiny lehibe ny fiarovana ny marary rehefa misitraka tolotra ara-pahasalamana, ary ny fanampiana ireo mpitsabo hahafahany manatanteraka araka ny tokony ho izy ny asany sy ny andraikiny. Tafiditra ao anatin’ny andraikiny ihany koa ny fananarana ireo mpitsabo raha misy ny tsy fanarahan-dalàna, ary ny fitakiana amin’nyfitondram-panjakana ny fanatsarana sy fanamorana ny fitsaboana etoMadagasikara. Raha ny antontanisa navoakan’ny Holafitra tamin’ny volana jona 2026, dia manodidinany 7 000 ny dokotera voasoratra ao anatiny, rahatoa ka manodidinany 11000 ny isain’ny dokotera ho an’ny vahoka maherin’ny 30 tapitrisa .Maneho izany ny mbola fisian’ny tsy fahampian’ny mpitsabo eto Madagasikara. Amin’ny ankapobeny, hafatra iray no nivohitra tamin’ity fihaonana ity: mila fiaraha-mientana sy finiavana avy amin’ny rehetra ny fanarenana ny tontolon’ny fitsaboana, ho fiarovana ny marary sy ho fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana.
Andry N.



