
Rehefa may Kila forehatra nandritra ny fanafihan-jiolahy ny kodiaran-droa an’ilay Zandary tao Ambohabengy, dia notolorana vaovao. Teny amin’ny toeram-pamoriana sy fanaovana tatitra na ( Terrain de rapport ) eo akaikin’ny biraon’ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandarimariam-pirenena Betsiboka no natolotra am-pahibemaso, an’ilay mpitandro ny filaminana iray ny kodiaran-droa vaoavao, izay fanomezana avy amin’ny Minisitra délégué misahana ny Zandarimariam-pirenena. Natao moa izao hetsika izao mba hanoherana ny fananan’ity zandary ity may Kila forehatra nandritra ny fanafihan-jiolahy nitam-piadiana niseho tao amin’ny fokontan’Ambohabengy, any amin’ny Kaominina ambanivohitra Sarobaratra, distrikan’i Tsaratanàna ny datin’ny 11 Aogositra 2026 lasa teo. Ny kaomandin’ny vondron-tobim-pileovana Betsiboka no nisolotena ny Minisitra délégué misahana ny Zandarimariam-pirenena, amin’ny fanolorana ny môtô na kodiaran-droa vaoavao ny marainan’ny alatsinainy 09 Novambra 2026 teo.
Ratantely



