Olona no nasaina niambina ilay toeram-pivarotana raha namonjy fanasàna ny tena tompon’ny tsena. Tao anatin’izany indrindra anefa no nitranga ny loza rehefa nandalo ny jiolahy ary nanafika. Mpianaka, izany hoe raim-pianakaviana iray sy ny zanany kely no niambina ny toerana tamin’io fotoana io. Tafiditra tao an-trano ny jiolahy ary nandroba. Nahavita niantso vonjy ilay rangahy niambina saingy tsindron’antsy avy hatrany no setrin’izany avy amin’ireo olon-dratsy. Tsy vitan’izay fa mbola nodoran’ireo indray ny tsena nialoha ny nitsoahana. Habibiana tsy roa aman-tany toy izany no nitranga tao Malaho, tanàna iray ao amin’ny distrikan’Atsimondrano. Mba avotra soa aman-tsara ihany ilay olona voatsindron’antsy. Sotasota ve no nitranga sa tena tsy fandriampahalemana ? Mihodidina eo amin’izany ny fanontaniana any an-tsain’ny mpiray tanàna manodidina ity nitranga tetsy Malaho ity. Raha fanafihana mantsy matetika toa ny vola na entana ihany no nentin’ireo mpanafika. Tamin’ity kosa dia tonga hatramin’ny fandrehetana ny toerana no nisy. Tsy nisy niangana intsony ny entana namidy ary hatramin’ny tsena aza dia rava tanteraka. Izany no novantanin’ny tena tompony izay fantatra fa namonjy fetin’ny tsingerin-taona no tsy naha-teo azy ary antony nampiandraiketany ny fiambenana ny toerana tamin’ny olon-kafa izany. Nisy fanadihadiana nosokafana izay mifantoka aloha amin’ny fikarohana ireo jiolahy hatreto.
D.R



