#- Haintrano teny Itaosy nandratrana olona telo
Tranombarotra lehibe, mpivarotra gaz sy fitaovana fanaovan-trano no nirehitra omaly hariva tetsy Itaosy, tsy lavitry ny siniben-drano Ambohidrapeto. Nifandimby nipoaka ireo « gaz » namidin’izany fivarotana izany, ary niredareda ny afo. Tsy ela dia nahazo fivarotan-kazo teo ankilany indray ny afo. Niezaka namonjy tamin’ny famonoana afo moa ny mponina ary nisy ireo namoaka avy hatrany ireo hazo marobe tao amin’ilay fivarotana hisorohana ny mety hitaran’ny afo. Araka ny vaovao azo dia olona telo no naratra, nipoahan’ilay gazy. Tsy nisy kosa ny namoy ny ainy tamin’ity hain-trano goavana ity, saingy ny fahasimban-javatra no goavana. Efa teny an-toerana moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana sy ny mpamonjy voina.
#- Mpianatra lasan’ny rano tany Fenoarivo Atsinanana
Ankizivavy kely 11 taona no mbola karohina no fantatra fa lasan’ny rano tao Ampasina Maningory, omaly hariva. Kilasy fahenina amina sekoky tsy miankina iray any an-toerana izy ary handeha nilomano teo amin’io renirano io izy no izao tra-doza izao. Mbola eo am-pikarohana azy moa ireo tompon’andraikitra any an-toerana.
#- Lozam-pifamoivoizana teny amin’ny RN1 sy RN2
Nitranga loza indray tamin’iny lalam-pirenena voalohany sy faharoa iny omaly. Ny voalohany, tokony ho tamin’ny roa ora maraina tany ho any teo Maromamy Brickaville, fiara taxi-brousse handeha hihazo an’i Toamasina, avy aty Antananarivo no nifandona tamin’ny kamio semi-remorque nijanona teo an-tsisin-dalana. Voalaza fa sendra tafatory kely ny mpamily, no antony nahatonga ny loza. Ny faharoa tetsy Katsoaka, Imeritsiatosika amin’iny lalam-pirenena voalohany iny, fiara taxibrousse roa no nifandona ary samy simba tanteraka. Tamin’ireo loza roa ireo dia voalaza fa tsy nisy ny aina nafoy saingy kosa maromaro ireo naratra izay efa sy nentina nihazo toeram-pitsaboana avokoa.
Nangonin’i m.L



