16 taona ny iray ary 19 taona ny namany. Izy roa lahy ireo no voarohirohy ho namaky tsena fivarotana zava-pisotro tao Tsenakely Imerintsiatosika ny andron’ny talata lasa teo.
« Bar » iray ary sady misy filalaovana irony milina filokàna irony no niharan’ny asan-jiolahy ny alin’ny talata lasa teo tao Imerintsiatosika. Novakian’ireo olon-dratsy ny trano ary nidina an-keriny tamin’izany fivarotana izany izy ireo. Araka ny fampitam-baovao avy an-toerana dia entana maromaro no lasan’ireo mpamaky trano. Anisan’izany ny « jetons » miisa 1200 isa, filalaovana amin’ireo milina filokàna, tao ihany koa ny zava-pisotro isan-karazany sy kojakojan-dakozia sy eletronika, izay nataon’ireo jiolahy najifa mihitsy. Nandray an-tanana ny raharaha avy hatrany moa ireo mpitandro filaminana tany an-toerana, hikaroka an’ireo olon-dratsy. Efa somary fantapantatra ihany ireo mety ho nahavita an’izao asa ratsy izao ka napetraka ny vela-pandrika. Mazava ho azy ihany koa fa tsy azo anaovana n’inona n’inona ireo « jetons » nangalarin’izy ireo fa tsy maintsy holalaovina amin’ireo milina vao afaka mivadika ho vola.
Ny ampitson’ny nisinàn’ity vaky trano ity ihany moa dia voasambotra tao amin’ilay toerana ihany ireo roa lahy. Voalazan’ny vaovao fa tratra teo am-pilalaovana an’ireo milina izy ireo no noraisim-potsiny. Nentina nihazo ny biraon’ny mpitandro filaminana avy hatrany izy roa lahy ireto, izay marihana fa tsy ampy taona ny iray, ho amin’ny famotorana azy ireo. Niaiky ny heloka vitany rahateo izy roa lahy taorian’ny fakana am-bavany azy ireo. Marihina fa mbola misy naman’izy ireo, niaraka nanao ny « opération », karohin’ny mpitandro filaminana fatratra amin’izao any an-toerana. Izay hanentanana ny tsirairay amin’ny fiaraha-miasa, hoy ireo mpanao fanadihadiana.
m.L



