- Publicité -
dimanche, novembre 15, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversLalam-baovao Ambohitrimanjaka : Mpangalatra « batterie »n’ireo andrin-jiro voasambotra

Lalam-baovao Ambohitrimanjaka : Mpangalatra « batterie »n’ireo andrin-jiro voasambotra

Teo am-pamakiana ireo « beton » aron’izany vatoaratra izany mihitsy izy efa-dahy no tra-tehaky ny zandary. Vatoaratra izay mamelona ireo jiro manazava an’iny lalam-baovao mampitohy an’Ambohitrimanjaka mihazo an’Andranotapahina iny. Raha ny toe-tsain’ny olona sasany mihitsy dia mbola ho ela vao hisitraka zavatra tsara ny mponina. Na dia eo aza mantsy ny fanatsaràna, ny sasany tsy hieritreritra afa-tsy hangalatra sy hanimba ireny fananana iombonana ireny. Toan’ izy efa-dahy voasambotra teo am-pisokirana ireo « batterie »n’  andrin-jiro ireo, ny andron’ny alarobia teo. Tsy misy tahotra, tsy misy henatra mihitsy izy ireo hoy ny zandary fa dia amin’ny antoandro be nanahary mihitsy no nanao ny asa ratsiny. Nisy nahatsikaritra ny fihetsik’izy efa-dahy ireto ka nampilaza avy hatrany ny zandary. Nidina avy hatrany teny amin’ny toerana voalaza moa ireo tomponandraikitry ny filaminana ka indreo eo tokoa ry ilay tsy valahara mbola somokitra, mivelively ilay « beton » aron’ilay batterie teo amoron-dalana. Mody niafina izy ireo tamin’ny fandalovan’ny zandary kanefa rehefa nanaovana tapody fohy dia indreo eo. Mbola nahavita nandainga ihany moa ry zalahy ireto ary nilaza fa « avy nilalao baolina lavalava sy mba nampiarampiaraka teny an-toerana ». Nampangain’ny fitaovana sy ny zavatra efa simba teny an-toerana anefa ary niaiky ihany nony farany. Raha ny fantatra dia hoe handeha hamidin’izy ireo ilay vatoaratra ary ireo vy fiarovana azy kosa dia ho alefan’izy ireo eny amin’ireo mpividy vy amin’ny kilao. Marihana hoy ny fampitam-baovaon’ny zandary fa tsy ampy taona ny telo tamin’izy efa-dahy ireto ( 15 sy 16 taona) ary 19 taona kosa ny zokiny. Avy eny Andohatapenaka eny ny telolahy ary monina eny Manjakamiadana ilay zandriny indrindra, kanefa dia izao tonga manao ny asa ratsiny eny lalam-baovao Andranotapahina izao. Nentina avy hatrany nihazo ny biraon’ny zandary moa ireto mpangalatra ireto ary notanana natao andrimaso nialoha ny nanolorana azy eny anivon’ny Fitsaràna. Misimisia ny fisamborana toy izao, hoy ny rehetra, ary ny fahatratrarana ireny mpangalatra sy mpanimba fananam-bahoaka ireny. Ireo mpividy vy amin’ny kilao etsy sy eroa ary manemitra ny elakelan-trano ireo ihany koa no mila arahana maso sy handraisana fepetra haingana, toy ireo mpanaparitaka zava-mahadomelina ihany. Tsy ity farany ihany mantsy no mandrisika amin’ny fangalarana sy ny tsy fandriampahalemana fa ireo mpandray sy mpividy halatra ihany koa.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici