Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tamin’iny lalam-pirenena voalohany iny teo amin’ny toerana antsoina hoe Ankadimpilo, fokontany Ambohimarina, kaominina Tsinjoarivo Imanga ny andron’ny alahady teo. Vokany aina roa be izao no nafoy ary olona roa hafa naratra mafy. Tokony ho tamin’ny dimy ora hariva mahery kely tany ho any no niseho ny loza, araka ny fampitam-baovao azo. Tamin’io fotoana io mantsy dia kodiaran-droa nirimorimo fatratra avy any, handeha hiankandrefana, handeha hody any Ambararatabe. Hiaraha-mahalala rahateo moa ra isan’ny lalana tsara sy malalaka ary mahitsy raha iny lalam-pirenena iny, indrindra fa ny eo Tsinjoarivo Imanga. Olona roa no teo ambon’io moto io, izay voalaza fa avy nijery baolina tsy lavitra teo ary efa varimbarin’ny alikaola ihany. Tsy nahatana ny familiana intsony izy ireo tao anatin’izany fandehanana mafy izany ka nikivilavila. Avy eo nifaoka mpandeha tongotra teny amin’ny sisin-dalana. Mafy dia mafy ny dona sy ny fianjerana, satria dia potika tanteraka ilay moto Kinlon nentin’izy ireo. Ilay mpamilys sy ilay nentina kosa nipitika lavitra ary niakarapoka tamin’ny arabe. Tetsy andanin’izay kosa, naratra mafy ireo voafaoka. Nandriaka ny rà. Araka ny fampitam-baovao dia tsy tana ny ain’ireo roalahy nitondra moto, 65 sy 55 taona noho izay dona mafy nahazo azy izay. Ireo mpandeha tongotra kosa, nisy ireo tena voa mafy ary nentina nihazo hopitaly avy hatrany. Efa samy nahazo fitsaboana moa izy ireo ary tsy misy atahorana ny ainy, raha ny vaovao hatrany. Marihana fa samy monina eo Ampizarantant ireto olona vofaoka ireto. Nidina teny an-toerana nijery ifotony ny zava-nisy moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana ary nanokatra ny fanadihadiana. Taorian’ny fitsirihana ny razana kosa dia efa natolotra ny fiankaviana izany. Mampatsiahy ary manentana hatrany ireo mpitandro filaminana fa « tsy miaraka ny alikaola sy ny fisotroana, ary mandehana mora. Raha maika, mandehana mialoha. Ny aina tsy hanana-piry ».
m.L



