Ny marainan’ny zoma 13 novambra 2026 teo no nifanome tanana tamin’ny alalan’ny asa tagnamaro ny tomponandrakitra maro isan-tsokajiny sy ny mpiara-miasa eo anivon’ny sampandraharam-panjakana, fikambanana, mponina. Nodiovina nandritra izany ny toeram-pamonoana biby iray na ( Abattoir) ao amin’ny fokontan’Ambatofosty, kaominina Maevatanàna ambonivohitra, hita sy tsapa ny fahasimban’ity fotodrafitrasa ity, izay tsy mifanaraka amin’ny filana misy an-kehitriny. Natao moa izao hetsika izao ho fiarovana ny tontolo iainany sy fisorohana ny fiparitahan’ny ny fako sy ny loto, ary hitsinjovana ny fahasalamam -bahoaka aty an-toerana. Nisy ihany koa ny fanentanana ho an’ireo olom-belona mampiasa ny toeram-pamonoana biby mba halala hanadino izany, rehefa vita ny asa atao ao aminy.
Ratantely



