Tapaka teo amin’ny faritra roa dia Atsinanana sy Analanjirofo, fa ny alakamisy 19 novambra amin’ny 6ora hariva ny taom-piotazana lodisia amin’ity taona ity. Efa misokatra vokatra izany ny fisian’ny « guichet unique » hanamorana ny fikarakarana ireo antontan-taratasy ara-ketra mikasika ity fiariana lodisia ity ho an’ny faritra roa tonta.
Nihaona sy nivory mikasika izany ny mpanondrana lodsia sy ireo mpanangom-bokatra ary ny solontenan’ireo mpivarotra lodisia, fa io tadin’ny 19 novambra io no daty mety hanondranana lodsia amin’ity taona ity. Tsy ahitana lodisia loatra ny faritra Atsinanana noho rivodoza gazani farany teo, fa ny ao amin’ny faritra Analanjirofo no manana maro amin’izany afa-tsy ao Brichaville sy ny manodidina angaha ho an’ny faritra Atsinanana. Re anefa izao fa ny fikambanana « APTCLT », na ny fikamban’ireo mpitatitra sy ireo mpanangom-bokatra Toamasina, tsy mankatoa ilay datin’ny 19 novambra ireo mpanangom-bokatra noho ireo lodisia mbola tsy masaka ao anatin’io daty io. Hita izany hoy izy ireo fa maro ny lodisia tao anaty garaba niverina ao anatin’izao fanondranana amin’ny fiaramanidina efa mandeha izao vokatra izany. Lazain’ity « APTCLT » fa akaiky loatra ny daty fisokafan’ny « guichet unique » sy ny daty fisokafan’ny taom-piotazana amin’ity taona 2026 ity.
Ny rehetra no niara-nanapaka ny datin’ny 19 novambra 2026 daty fisokafan’ny taom-piotazana 2026 amin’ny lodisia ity, hoy ny solombavambahoaka Toamasina I Atoa Roland Ratsiraka sy ny GEL na vondron’ireo mpanondrana lodisia, ary ireo manam-pahefana avy eto Atsinanana sy Analanjirofo. Voalaza ihany koa nandritra izany fa manodidina ny 18.000 taonina no kasaina haondrana amin’ity taona ity. Sambo roa no haka ny lodisia Malagasy eto Toamasina amin’ity taona ity, ka sambo samy hitondra 7.500 taonina isany izy ireo, ary voalaza fa ho tonga amin’ity herinandro ity ireo sambo roa ireo. Efa fantatra ny alatsinany teo ny lodisia kirakirain’ny ivon-toerana mpikirakira lodisia iray eto Toamasina, satria hatramin’izay dia 18 ny isan’io mpikirakira izany teto Toamasina.
Voalaza fa namafisina ny fanaraha-maso, ny tsy hanaovan’ireo mpitatitra gaboraraka amin’ny fanariana ny fako eny an-dalana. Ny taona lasa dia lasa faniriana fako avy amin’ny lodisia ny lalam-pirenena faha-05 sy faharoa iny, ka tsy azo ekena intsony izay manomboka izao fa hisy ny toerana fanariana izany hapetraka. Toraka izany koa ny eto an-tampon-tanànan’i Toamasina, ary misy ny sazy apetraky ny kaominina amin’ireo tratra fa hisy ny fanaraha-maso ataon’ny Kaominina eto Toamasina I sy Toamasina II.
Malala Didier



