- Publicité -
mercredi, novembre 18, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversItaosy : Taxi-moto nandratra ny olona nentiny

Itaosy : Taxi-moto nandratra ny olona nentiny

Tovolahy iray, mpanao taxi-moto eny amin’iny faritra Bemasoandro Itaosy iny no voatery nosamborin’ny zandary noho ny fitsoahana lozam-pifamoivoizana sy ny fandratrana olona, ny voalohan’ny herinandro. Raha ny vaovao nampitain’ny zandary, telo andro talohan’ny nisamborana azy io dia nanao lozam-pifamoivoizana ingahy ary nandratra ireo mpandeha taminy vokatr’izay : ankizivavy kely sy ny renibeny. Tamin’io fotoana io mantsy dia nikasa handeha hivavaka izy mianaka ireto ka nandray taxi-moto. Teny an-dalana anefa, tsy hay mazava izay nahazo an’ilay mpitondra môtô teo, hoy ny fanazavana fa nianjera ary nitrosona ho azy tamin’ny arabe izy rehetra. Heverina fa mety ho mamo izy tamin’io fotoana io, hoy ny zandary. Naratra mafy ilay ankizivavy kely, izay vao dimy taona monja. Teo amin’ny tanany kosa no voa ny an’ilay renibeny. Tsy naninona ilay mpamily. Nentin’ity farany nihazo avy hatrany toeram-pitsaboana tsy lavitra teo izy ireo, kanefa vantany vao tafiditra ny efitrano fiandrasana tao amin’ilay toeram-pitsaboana izy ireo, hoy ny fampitam-baovaon’ny zandary dia nitsoaka sy nanjavona ary tsy hita tany nanjavonana ilay mpitondra taxi-moto, nilaza fa hanakisaka kely an’ilay kodiaran-droa nentiny fotsiny. Tsy nanaiky mora ny zava-nitranga ny fianakavian’ireo naratra ka nametraka fitoriana teny anivon’ny zandary. Fitsoahana lozam-pifamoivoizana, tsy fandraisana andraikitra manolona olona niharan-doza ary fandratrarana olona … Feno ny fepetra hanenjehana an’ity tovolahy mpamily taxi-moto ity ka niroso avy hatrany tamin’ny fikarohana azy sy ny fisamborana azy ireo mpitandro filaminana. Tsy niandry ela dia fantatra tanteraka ny mombamomba an’ity tovolahy sy ny toerana fiandrasany ireo mpanjifa. Niroso avy hatrany tamin’ny fisamborana ireo zandary ary dia io tratra soa aman-tsara teo amin’ny toerany mahazatra io ingahy. Marihana fa fantany tsara ny zavatra nataony tamin’izay, ary niaiky ingahy fa nitondra azy mianaka ary tena nitsoaka tokoa, taorian’ny loza. Nolazainy fa noheveriny fa tsy hisy hahita ny zavatra nataony. Nentina notazomina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny zandary ity mpitondra taxi-moto ity, ho amin’ny famotorana azy, alohan’ny hanolorana ny raharaha eny anivon’ny Fitsaràna. Etsy andanin’izay, manentana ny rehetra ireo mpitandro filaminana mba ho mailo lalandava manoloana ireo taxi-moto ary hanamarina hatrany ny toe-batan’ireo mpamily.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici