Mitaraina ireo mpianatra manaraka ny fampianarana eo anivon’ny sampana ny oniversite Toamasina ao Vatomandry ankehitriny, satria tapa-bolana aty aorian’ny fametrahana ny vatofototra amin’ny fanamboarana trano ho an’ireo mpanabe mamita hiraka noho fanabeazana atao amin’ireo tanora, dia misy manakana izany ankehitriny. Raha ny vaovao voaray izay nampitokona ireo mpianatra tao Vatomandry mihintsy ny zava-misy, dia izany Rtoa akaiky ny filoham-pokontany ao Vohitsara Vatomandry misy ilay toerana mihintsy no manao izao fanakanana ny fanamboarana izao. Tena ilay anefa ity trano fivantanan’ireo mpanabe avy lavitra tonga any an-toerana hampianatra, nefa izao misy olom-bitsy manao fanakanana izao ilay toerana efa nametrahana vatofototra. Ny nahagaga tamin’ity tranga ao Vatomandry ity, dia ilay lehiben’ny fokontany ny Vohitsara mihintsy no faly tamin’ny fanambaran’ny oniversiten’i Toamasina mikasika ilay trano ho an’ny mpanabe avy lavitra tonga any an-toerana. Mila ny tsy hanaiky ity ramatoa ity ka vaky ny ady eo amin’ilay ramatoa ankehitriny, satria tsy hamboarina ny trano hoy ny oniversiten’i Toamasina sampanan’ny oniersite ao Vatomandry. Nitory teny amin’ny fitsarana ity ramatoa ity vao tafapetraka ny vatofototra mikasika ny fanamboarana ny trano ; ka miandry izay avoaky ny fitsarana izany ny fanombohan’ny asa ao Vatomandry. Ao anatin’izany anefa dia manao fitokonana ny mpianatra tsy manaiky ny hetraketraka ataon’ity ramatoa miady tany amin’ny oniversiten’i Vatomandry ity, nambaran’izy ireo fa hijanona ny hetsika raha tsy mifarana ny ady tanin’ny oniversite ao Vatomandry ity.
Malala Didier



