- Publicité -
samedi, novembre 21, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRN12 : Taxi-brousse nivadika

RN12 : Taxi-brousse nivadika

Manohy tohivakana ny lozam-pifamoivoizana eny amin’ny lalam-pirenena tato ho ato. Teny amin’ny RN12 dia nisy taxi-brousse izay nivadika teny an-dàlana. Raha ny fanazavana dia nisy olana ara-teknika io fiara io ary niteraka ny loza. Avy any Marofarihy ary ho any Manakara io fiara fitateram-bahoaka io ny alakamisy maraina teo. Mpandeha miisa 11 no naratra ary nentina haingana tany amin’ny hopitaly tao Manakara. Efa afaka namonjy fodiana iny andro iny ihany ny olona sivy raha mbola manohy fitsaboana kosa ny roa ambiny. Olana teo amin’ny “transmission” no nitarika ny fivadihan’ilay fiara, raha araka ny fizaram-baovao. Ny tranga toa itony dia toa manamafy hatrany fa vata-paty mandehandeha ny fiara fitaterana eto amintsika. Isan-kerinandro dia tsy maintsy misy mitera-doza hatrany. Ankoatra ny tsy fitandreman’ny mpamily dia olana ara-teknika no antony matetika miteraka ny lozam-pifamoivoizana. Midika izany fa tokony hentitra amin’izay amin’ny fanomezana fahazoan-dalana mamily ary torak’izany koa, hentitra ny fitsirihana ara-teknika. Ireo sehatra roa izay saro-pady ireo anefa dia isan’ny tototry ny kolikoly ary dia izao ny vokany : loza miverimberina eny an-dalambe, indrindra eny amin’ny lalam-pirenena.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici