- Publicité -
lundi, novembre 23, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMenabe : Angatra mamono olona, tsy nisy natory ny mponina

Menabe : Angatra mamono olona, tsy nisy natory ny mponina

Fisehoan-javatra hafahafa no nitranga tany amin’iny faritra Menabe sy Atsimo Andrefana iny ny alin’ny sabotsy hifoha alahady teo. Nandritra ny alina dia tsy nisy niditra tany an-tranony ny olona fa nivoaka teny amoron’arabe ary miezaka miady amin’ny torimasony. Mifono lamba ary ny tena mahavariana dia samy mihosotra zavatra fotsifotsy amin’ny handrina avokoa, tsy vavy, tsy lahy, ary tsy kely tsy lehibe. Ny antony, tsy mahazo matory fa hisy « angatra mamono » handalo any an-toerana. Ary ankoatra ny tsy fahatoriana dia tsy maintsy asiana an’io marika fotsifotsy io ny tarehy. Dia nanaraka tokoa ny rehetra fa te ho velona …

Toe-javatra hafahafa tokoa, izay vetivety dia niparitaka tamin’ny tambajotra sosialy. Nanomboka tany Toliara izy io ka hatrany Morondava. Raha ny fanazavana azo dia niainga avy tamin’ny ranty tamin’ny tambajotra sosialy ity resaka nandeha ity. Ranty izay milaza fa efa maro ireo maty nolalovan’izany « angatra » izany tany Andavadoaka Toliara sy ny tao Morondava. Poa toa izay dia niparitaka izay tsy izy ka izao niteraka horohoro tamin’ny mponina izao.

Nandray ny andraikiny avy hatrany moa ny teo anivon’ny OMC tao Menabe taorian’izany trangan-javatra niseho tany an-toerana ary nilaza mazava fa « tsaho sy vaovao diso » tiana hamparitaka sy hanakorontana saim-bahoaka ity zavatra ity. « Mahavoasazy ny filazana tsaho sy ny fanaparitahana vaovao tsy marina », hoy ny fampitandremana nentin’ny L.C Aunezifort Philippe, Lehiben’ny Faritra Menabe mpisolo toerana. Nambarany moa fa tsy hipetra-potsiny manoloana izao ireo tompon’andraiki-panjakana any an-toerana fa handray fepetra henjana amin’ny fikarohana izay olona niavian’izany tsaho izany. Efa mandeha rahateo ny fanadihadiana ataon’ireo mpitandro filaminana any an-toerana. Etsy andanin’izay dia miantso ny vahoaka ao Menabe ihany koa ny tenany mba ho tony sy tsy ho mora handairan’ny tsaho.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici