- Publicité -
lundi, novembre 23, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMahajanga : Jiolahy mpamaky trano roa lahy maty voatifitry ny polisy

Mahajanga : Jiolahy mpamaky trano roa lahy maty voatifitry ny polisy

Vaky trano sy fanendahana mitam-piadiana. Efa maro amin’ireo mponina no mitairana fatratra ny amin’ny afitsok’ireto olon-dratsy ireto ao an-drenivohitr’i Boina ao, indrindra fa amin’iny faritra Tsararano ambany iny. Ny alahady vao mangiran-dratsy teo, lavon’ny balan’ny polisy izy ireo. Na izany aza mbola misy namany karohina fatratra any.

Araka ny fanazavana azo dia isan’ireo raindahiny sy efa nokarohina fatratra mahakasika izay resaka halatra, vaky trano sy fanendahana, izany rehetra izany samy arahina fitanana fitaovam-piadiana avokoa, ireto roa lahy ireto. Izy ireo rahateo efa mpamerin-keloka satria dia efa nigadra noho ireo asa ratsiny ireo. Ny marainan’ny alahady teo, tokony ho tamin’ny iray ora maraina tany ho any no nifanehatra tamin’ireo mpitandro filaminana, avy ao amin’ny polisin’ny UIR ry zalahy ireto. Raha ny voalaza dia vao avy nanao ny ratsiny mihitsy ry zalahy ireto satria dia trano roa be izao no novakian’izy ireo tao Tsararano ambany. Raikitra avy hatrany ny fifanenjehana teo amin’ny roa tonta ka teo akaiky ny Pont Nina teo izy ireo no nifanehatra. Mbola nikasa hamaly ry zalahy ireto saingy ny balan’ny pôlisy no tonga aloha. Maty voatifitra ny roa, hoy ny fanazavana azo, tafaporitsaka kosa ny namany sasany. Mbola mitohy moa any an-toerana ny fikarohana ireto tafatsoaka ireto, araka ny fampitam-baovao azo hatrany.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici